Edito

Sambany avokoa


  • Sabotsy 21 Aprily 2018

Repoblika 4 izay no nandalo fa tsy mbola nisy toy izao. Hafa kely ity fitondrana indray mitoraka ity saingy tsy mba hafa kely amina zavatra nahafinaritra sy nitondra filaminana na fiadanana ho an’ireo vahoaka napetraka ho eo ambany fiahiny fa dia tompondaka tamin’ity karazan-java mahamenatra sy nampivarahontsana rehetra ity.

Vao nanomboka nandray fahefana dia nisantatra ra mandrika rehefa avy nanatontosa kabary dika mitovy tamin’ny an’olon-kafa. Nandeha ny fampanantenana, ilay nalaza indrindra, fa 3 volana ihany no fetran’io fahatapahan-jiro lavareny io kanefa inona akory no teo! Mbola nitohy tamina ra mandrika koa avy eo ny fetim-pirenena. Sambany teo amin’ny tantaran’ity nosy ity no nisy trangana asa fampihorohoroana sy fikasana nanatontosa izany. Ny andiam-basy marovava tra-tehaka tao Nosy be, ny raharaha kariera tany Anjozorobe, ny tifitra variraraka nahazo ireo mpandeha tany amin’iny faritra iny ihany sy ny hafa tsy voatanisa. Sambany avokoa, tato anatin’izao fitondrana izao no nirongatan’izany. Tsy lazaina intsony moa ny tsy fahazavan’ny raharaha Razaimamonjy sy Antsakabary, ny tarehimarika diso be momba ny resaka tsena-barom-panjakana, izay mbola nahasahian’ny minisitra tomponandraikitra nametra-panontaniana ihany hoe izany koa ve dia tsy fahaizana miasa? Ny fitonatonanan’ny minisitry ny raharaham-bahiny milaza ny tsy tokony ho lazainy tany an-tanin’olona. Nialoha lalana azy tany Roma rahateo moa ny filoham-pirenena ka izay tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe miainga avy any ambony ny ohatra. Sambany avokoa izany ka enga anie tsy hiverina intsony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT