Edito

Saino tsara izay lazaina e !


  • Alatsinainy 03 Mey 2021

Herintaona manodidina ny 700 eo ny maty teto amintsika. Any Brésil 4000 isan’andro ny maty, any Inde 3000 isan’andro, hoy ny Filoham-pirenena.

 Toa manome vahana ilay nambaran’ny Minisitry ny fahasalamana tamin’ny haino aman-jery vahiny, fa misy ny mamoy ny ainy eto Madagasikara, saingy tsy dia mampitahotra be tahaka ny any Afrika Atsimo. Ekena fa mitombina araka izay hiheverany azy, saingy manindrona sy marary ny Malagasy namoy havana aman-tsakaiza. Mila havadibadika im-pito ny lela vao miteny. Fomba firesaka toa efa mahazatra io mampitaha amin’ny any ivelany io hoentina milaza fa mety sy mahomby ny atao. Sarotra izany hiaika fa misy ny lesoka io, ary tsy maintsy mikaroka hevitra hoenti-manadio sy manatsara tena. Tany aloha dia nampitahaina tamin’ny olona matin’ny lozam-pifamoivoizana na zavatra hafa, ka noraisina mihitsy hoe tamin’ny herintaona tahaka izao dia toy izao sy izao ny maty, kanefa isika nisy valanaretina dia izao sy izao ny antontan’isa. Mba azon’ny mpitondra an-tsaina sy mba mahataitra azy ve fa ny 35% mahery tamin’ny olona maty hatrizay anie ka tao anatin’iny iray volana farany nitsahintsika iny e? Resahina ny hanasoa sy hanavotra ny vahoaka Malagasy, izay hisaorana betsaka ny Fanjakana, saingy ny fanamaivanana ny zava-misy aloha mety hahatezitra sy hahatofoka ny olona. Tsiahivina hatrany ihany koa, fa tsy resaka valanaretina ihany no raharaham-pirenena eto, fa maro ny fampanantenana noresahina, misy olana ara-tsosialy eto, misy krizy politika, ny toekarena mitotongana,… Maro ny fampanatenana natao, mila famahana olana ny rehetra. Tokony hisy ny fitsinjaran’asa, fa tsy handeha hitsena tavoahangina “oxygène” ihany no atao hoe miasa, ary vitana minisitra tsotra izany, fa tsy voatery hataona Filoham-pirenena. Adino na hiniana hikipiana ny olana maro samihafa avy eo. Mbola fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe: mbola misy Praiminisitra ve eto sa mihiboka araka ny tenin’ilay mpanao politika iray? Tena miasa sy mahavaha ny olana samihafa momba ny sehatra iantsorohany ve ny Minisitra tsirairay sa efa mihiboka tanteraka ihany koa ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT