Edito

Sahy tanteraka


  • Zoma 10 Aprily 2015

Mazava ny resaka izao, tena miverina amin’ny fanaovana politika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary tsy mila intsony fangatahana alalana amin’ny fitondram-panjakana izany satria zavatra efa nifanarahana nandritra ny fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM.

 

 


Voavaly koa ilay fanontaniana hoe miara-dia ve ny HVM sy ny TIM : ilaina ny fiaraha-miasa, ary dia miarakaraka eny e , hoy ingahy Ravalomanana nananihany omaly.Sariteny midika zavatra maro anefa izy iny, ary mifono politika avo lenta araka ny resaky ny mpanara-baovao nanomboka omaly hariva.Mazava ihany koa izao fa tena foto-kevitra no entin’ny TIM handresen-dahatra ny mpifidy fa tsy vola na fanomezana, hita tratra tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly fa tsy mba nisy fiarahana nitsakotsako na niala hetaheta teny amin’ny Carlton fa tena resaka sy fanazavana madiodio no natrehana.Nahaliana ny maro anefa ilay izy.Velona ary mijoro sy efa manana tanjona goavana kokoa ny TIM, mitarik’azy amin’izany i Marc Ravalomanana, izay tsy niova fa sahy hiaro hatramin’ny farany ny tombotsoan’ny malagasy na iza tsy faly na iza tezitra.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT