Sahisahy ratsy

Mitombo fahasahiana ny Fanjakana volomboasary satria


  • Alarobia 27 Martsa 2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

fampiasana ny herin’ny vola,… hany tena mitombo ny hetraketraka. Nandeha ny raharaha 2009 nisiana fanonganam-panjakana dia noleferina sy afaka nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fitantanana maloto samihafa. Nandeha ny fifidianana 2018, dia nekena mba hisorohana ny korontana sy ny sakoroko saingy niaraha-nahita ny endri-pitantanana mamohehitra izay nampitombo ny fahavoazan’ny firenena noho ny kolikoly nahazo vahana, trafikana harem-pirenena, Fanjakana ratsy tantana, orinasam-panjakana tapitra potika sy mitsipozipozy,… Dia tonga ihany koa ny 2023 dia iny niaraha-nahita iny ny fifidianana sy zava-niseho nialoha izany. Tsy manan-tahotra ny mpitondra eo anatrehan’ireny satria miantehitra amin’ny basy aman-tafondro sy ny vola. Na efa betsaka aza ny fifidianana ny fahasosorana, izay efa tonga hatreny an-dalambe toy ny tamin’ireny resaka delestazy, olan’ny mpandroaka fako,… dia ny fandrarangana hery aloha no mandeha aloha. Izao dia mbola miketrika hametraka tetika mamohehitra handrombahana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena mba hananana fahamarinan-toerana. Vao mainka anefa hampiombo ny fahasosorana ireny. Mihevitra ny fitondrana ankehitriny fa azo gamoina sy resena herisetra sy didy jadona ny Malagasy, ka na inona na inona hanaovana azy, dia tsy fola-mandefitra mandrakariva eo. Efa tena manomboka miakatra ambony kokoa amin’ny fihantsiana ka mikitika ny tsy fikitika sy manararaotra ny fahalemena sy fahantram-bahoaka ka tsy te hahalala izay mety hiafarana sy mety ho fitsimbadiky ny tantara. Tsy adala ny Ntaolo nanao hoe: “raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra”, ka asakasak’ireo mihevi-tena ho tsy ho tratry ny aloka mandrakizay. Aleo tsiahivina foana fa lany efa ho 99% ny Filoha Tsiranana ny faramparan’ny taona 1971 ary nanana maro an’isa tao amin’ny Antenimiera, fa niongana ny mey 1972. Niorim-paka 21 taona ny Filoha Ratsiraka, fa nirefotra ny 2002. Natanjaka I Marc Ravalomanana izay nitondra 7 taona fa nirefotra ny 2009,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT