Edito

Sahirana manetry tena


  • Alarobia 20 Mey 2020

Hatramin’izay nanomezana fahaleovantena ny firenena izay ka hatramin’izao izany aloha dia hita ho toetra fototry ny mpitondrantsika nifandimby ny

fahasahiranana manetry tena ka mba miaiky ihany fa tsy nety ny natao ka mila ahitsy. Ny vahoaka nisy teto hatramin’izay koa moa hita ho hafahafa ihany rehefa mba maheno izany hoe mitondra miaiky fa diso izany. Tsy ho asiana resabe fa samy nahatadidy ny ankamaroan’ny vava heno teny rehetra teny isika raha mba nisy filoham-pirenena nanandrana nanao izany tamin’ny 11 taona lasa. Ity farany indray no toy ireny noheverina fa adala ireny. Ankehitriny dia iaraha-mahita ny zava-misy fa ny vahoaka hatrany no diso na dia miharihary izao aza ny tsy fahaizan’ireo mpitondra mifehy araka ny tokony ho izy ny toe-draharaha. Hatramin’ireo nodimandry mbola toy ireny omena tsiny ireny ihany fa tsy nisotro CVO, hono. Tsy mahagaga raha toa ka tsy misy tandapa mihaino ny soson-kevitra sy tsikeran’ireo mpanohitra na mpamakafaka eto amin’ny firenena. 2 volana mahery izay fa paikady efa hita ho nampitombo ny marary ihany no mbola hizoran’ny fitondram-panjakana. Aleon’ny mpitazana mihitsy no hiafarany tsy miteny firy intsony fa tonga hatramin’ny vazivazy hoe mbola mety tsara raha iny kabarin’ny filoham-pirenena farany teo iny ihany no haveriny afaka tapa-bolana. Sahirana manetry tena ny ankamaroantsika fa indrindra ny ankamaroan’ny mpitondra antsika ary inoana fa ho sarotra amin’izy ireo no handiso izany filazana izany raha mahita izao fijojoan’ny toekarem-pirenena sy ny sosialim-bahoaka izao. Milaza azy ho Kristianina moa ny ankamaroany ka asa na mba efa nahavoavaky ilay teny hoe “izay manetry tena no asandratra”! Mba hiaino sy handanjalanja ary tsy handray fanapahan-kevitra bontolo sy efa hita ho tsy mahomby intsony kosa angamba.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT