Edito

Sahirana mandry


  • Zoma 20 Mey 2022

Fiteny efa ela ny hoe mandry fotsy, mandry tsy lavo loha, mandry an-driran’antsy. Sa famonjena fandriana anaty fahasahiranana daholo ireo ary izay mihitsy ilay ambaratongam-pahasahiranana tantarainy ho an’izay miatrika.

Mandry fotsy ianao rehefa natory tsy nisakafo hariva. Tsy fahampian-tsakafo izany aloha eo no resaka. Mafy tamin’ny Malagasy izany ary mbola mangidy ho an’ny tokantrano maro eto hatramin’izao. Mandry tsy lavo loha kosa indray no ilazana azy mila mailo manoloana ny ahiahina tsy fandriam-pahalemana mety hitranga. Midika filana fahamailoana io hoe aleo manao mason’akoho ihany aloha rehefa matory sao sanatria ho avy ny mpangalatra na koa hoe olon-dratsy. Ny mandry an-driran’antsy moa dia mazava araka izany sarinteny izany mihitsy ny paozin’ilay toe-draharaha. Tsy mahita tory intsony fa dia mitaintain-dava toy ny mahazo ny ankamaroan’ny malagasy amin’izao, indrindra, any amin’ireo tontolo ambanivolo. Sao dia sanatria tong any dahalo? Sao dia misy jiolahy ho avy? Sao dia misy mangalatra ny lavanilina eny an-tsaha fa andao any mihitsy aloha no hatory, arak’ilay fitarainan’ireo solontenan’ny tantsaha vao niakatra teto Antananarivo vao haingana ireny? Sao dia misy maka ny voamaso na ny taova? Sahirana mandry ankehitriny ny ankamaroan’ny malagasy. Tsy amin’ny alina ihany koa no manjaka ny tsy fandriampahalemana na ny maraina sy atoandro be nanahary. Iaraha-mahalala izany hatrety an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Inona moa no antony. Fahantrana, tsy fisiana asa, fahaveresana asa, bangoina amin’ny hoe fitotonganan’ny toekarena sy ny fiainan’ny Malagasy maro mihitsy. Voavahan’ny tosika fameno sy ny vary mora ve izany rehetra izany? Sarotra angamba ny hamaly hoe eny satria mandalo ihany ireny? Inona no vahaolana maharitra? Namaha izany tokoa ve ireo kianja manara-penitra sy ny fotodrafitrasa manara-penitra hafa mbola tsy mahatafavoaka ny 85%n’ny malagasy anaty fahantrana lalina hatramin’izao? Sahirana mandry ianao miheritreritra an’izany ary mirary hoe enga anie mba tsy ho mandrimandry manana aretina kosa ireo tokony hitarika amin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izany rehetra izany!
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT