Edito

Sahirana daholo


  • Zoma 16 Febroary 2018

Miha sarotra ny fiainana maneran-tany. Samy sahirana sy miha sahirana daholo ny olona rehetra.

Tsy tokony ho antony kosa anefa izany ho lasa fialana bala ho an’ireo mpitondra amina firenena sasany izay hatramin’izay nahaleovany tena dia an-dalam-pandrosoana lalandava. Ny sasany aza moa efa lasa an-dalam-pihemorana mihitsy ary raha tsy avo sasaka ny fitotonganana dia 100% mihitsy. Tsy nisy ezaka nampitehaka sy nampitolagaga ny manodidina akory dia ny fialana bala no asesika. Fomba fiady teo aloha ny hoe ny takaitran’ny mpitondra nifandimby tao anatin’ny 57 taona. Ankehitriny moa izany dia izay indray no ho hira miainga eo dia ny hoe ny fiainana hiha sarotra foana. Ekena mihitsy fa miha sarotra hatrany ny fiainana ary izay ihany koa no maha lojika ny fiakarana vidin’entana maro sy fitakian’ny mpiasam-panjakana fampisondrotan-karama isan-taona, ohatra. Natao hitady vahaolana hanamaivanana ny fahasahiranana vokatry ny fiakarana isan-karazany ny mpitondra fa tsy ho sanatria tonga amin’ilay fomba fiteny hoe manaraka ny onjany fotsiny kanefa sitrapo no te ho eo amin’io toerana io. Safidy ny hitondra firenena fa tsy nisy noterena. Fianianana natao koa ny hitady vahaolana amin’ny olana mianjady amin’ny vahoaka ao anatin’ny fe-potoana natokana hitondrana fa tsy nisy filazana mihitsy hoe ao anatin’ny fotoana mbola miampy. Dia tsy nahafahana nanao afa-tsy nilalao tanana sy nanamboatra vina fotsiny ve izay 5 taona izay ? Sa izay tokoa ilay hoe tsy niomana ho filoha ? Raha izany anefa, inona no antony nilatsahana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT