Edito

Sahia manao dingana lehibe !


  • Sabotsy 12 Novambra 2016

Lesona ho an’izao tontolo izao ny fifidianana sy ny vokany tany Etazonia.


 Taratra ireny fa tsy voatery hitombina hatrany ny kajikajy politikan’izay rehetra heverina ho be vinany ka hihevitra fa ny fahefana rehetra dia eo am-pelatanan’izy ireo hatrany. Fifidianana revolisionista no azo hamehezana iny nitranga tany amin’ny Bekintana iny. Nifidy avokoa hatramin’ireo izay noheverin’ny mpandinika politika, indrindra ireo mpikambana ao anatin’ny antoko demokraty fa tsy ho avy, toy ireo tambanivohitra, ireo amerikanina fotsy hoditra tsy  avara-pianarana. Ny tsy nampoizina dia hatramin’ireo mainty hoditra izay nanohana ny filoha teo aloha Barack Obama aza nizara ihany koa ny safidiny. Anisan’ny teny nataon’ny filoha vaovao Donald Trump ho raiki-tampisaka tao an-dohan’ireto mainty hoditra ireto nandritry ny fampielezan-keviny ny hoe “ahoana no mbola hifidiananareo izay naha tsy an’asa ny dimampolo isan-jatonareo ?”. Mampahatsiahy ilay teny nalaza izany hoe “Sahia manao dingana lehibe!”. Dia nahavita iny dingana lehibe iny tokoa moa ny amerikanina ka dia arahabaina. Isika indray izany izao no andrasana na hanaraka ny diany na tsia.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT