Edito

Safidy politika …


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

Mbola ady saritaka hatramin’izao any anatina vondrona politika any, satria tahaka ny nitranga tamin’ny fananganana ny CT sy ny CST dia nisy nanova an-tsokosoko indray ny anarana tao anatin’ireo lisitra kandida praiminisitra.

 Tsy ny vondrona politika rehetra moa no nitrangan’izany fa ny sasantsasany ihany, saingy raha ny fahenoana ilay resaka dia hitarika fifandirana hiafara amin’ny krizy vaovao eo amin’ny samy mpanao politika indray ity fanovana ny lisitra ity. Araka ny tsiliantsofina re dia tokony hiditra tao anatin’ireo kandida praiminisitra Atoa isany Thierry Raveloson sy Adolphe Ramasy, satria efa nifanarahana, saingy nanjavona tampoka ny anaran’izy mirahalahy ireo ary dia tsy hita tabilao. Efa notaterina teto ihany koa moa ilay fanilihana tsotra izao an’Atoa Alain Tehindrazanarivelo avy ao amin’ny GFC (hery afovoany). Efa praiminisitra lefitra nisahana ny fahasalamana izy tao anatin’ny governemanta Roindefo. Tsy mba nimenomenona raha very seza fa niezaka ny niresaka amin’ny ankolafy politika maro samihafa.

Anisan’ireo mpanao politika tony fihetsika ny Pr Tehindrazanarivelo ary noheverin’ny maro fa mahafeno tsara ny fepetra hitantanana ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena. Tara sambo araka ny fomba fiteny anefa izy ary voasongon’ny sasany, noho ny antony tsy mbola mazava tsara, fa dia hoe laharana fahefatra tao amin’ny lisitra izy, ka telo ihany no noraisina. Mandeha koa ny resaka fa misy amin’ireo kandida ireo no nampiasa vola mba hanolorana sy hanohanan’ny vondrona politika azy. Efa misy mantsy no be kajy ary manana ny eritreriny. Efa notaterina teto ihany fa manana lanja politika goavana ao anatin’ny fitondrana tetezamita izay praiminisitra hotendrena eo, mahalala tsara izany ireo mpanao politika ireo ka izay angamba no mahatonga ny fanovana lisitra tampoka sy fanilihana ny hafa. Raha ny tokony ho izy, ho fantatra ny alarobia 26 oktobra ho avy izao ny anaran’ny praiminisitry ny tetezamita. Izay no resaka am-bava teny amin’ny Le Paon d’Or tamin’ny fanaterana ny anaran’ireo kandida.

Tsy fantatra moa ny zavatra mety mbola hitranga indray anio sy rahampitso tahaka ny hoe hisy indray ny karazana propagandy kely ataon’ireo kandida tsirairay avy na mbola fifampidinihana eo amin’ireo vondrona politika mba hampihenana ny isan’ny kandida mba hanamorana ny asan’ny filohan’ny tetezamita. Fa dia ho hita eo indray izay ho fidonany. Efa misy ihany ny anarana mivezivezy etsy sy eroa hiditra eny Mahazoarivo eny, tahakan-dRtoa Monique Esoavelomandroso, na Atoa Befeno Todimanana, na Atoa José Vianey, saingy mijanona ho tombantombana izany. Ho hita eo izay fanapahan-kevitr’Atoa Andry Rajaoelina, indrindra fa taorian’ilay fanambarana nataon’ny SADC tamin’ny alalan’i Marius Fransman milaza fa : olona eken’ny rehetra, atokisana sady ankatoavin’ny mpanohitra no tokony hotendrena praiminisitra. Mazava ny resaka eto fa manana ny hambarany amin’izay mety ho fanapahan-kevitry ny filohan’ny FAT ny sehatra iraisam-pirenena izay maniraka ny SADC. Sarotsarotra ihany ny safidy politikan’ny filohan’ny FAT amin’izao fotoana miankina betsaka amin’izay hambarany no hampizotra tsara na tsia ny rafitra tetezamita eto. Olon’ny fampihavanana, mahay politika tsara ary afaka miresaka amin’ny vondrona politika sy ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena no ilaina, ka ho hita amin’ny alarobia e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT