Edito

Safidy goavana


  • Talata 25 Janoary 2011


Hita mibaribary izao fa tena nilaina ny nidiran’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny fanelanelanana teto amintsika, asa izay efa nanomboka tamin’ny febroary 2009 teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola. Sarotra ihany mantsy ny mino fa nilamina tahaka izao ny firenena raha toa ka nolavina ny fidirana an-tsehatry ny SADC sy ny vondrona Afrikanina ary ny firenena mikambana. Tena azo antoka fa nitohy ny fanenjehana sy ny fanagadrana, tahaka ireny nataon’ny CNME nodimbiasan’ny FIS ireny ary dia tsy nisy intsony angamba izany hoe mpanohitra ny fitondrana izany teto amintsika fa dia any am-ponja avokoa, na maty na tsy hita popoka tampoka tahaka ny mitranga any amin’ireo firenena mbola ahitana jadona amin’izao fotoana. Ny tena ratsy aza dia mety ho raikitra ny adim-poko sy ny ady an-trano satria tsy hanaiky handefitra mandrakizay izany koa ny sasany, ka izay vao tena potika i Madagasikara.

Tsy nitranga anefa izany satria natao ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra hamahana ny olana politika ka teo ambany fiahian’ny GIC mpanelanelana iraisam-pirenena no nanaovana izany. Raha tsy nisy ny fanambarana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy maintsy tetezamita iaraha-mitantana no ajoro eto, ary miato avokoa aloha ny famatsiam-bola mandra-pahatongan’izay, dia nanohy ny lalany samirery amin’izay hitiavany azy i Andry Rajoelina. Ankehitriny mantsy roa taona taorian’ny nandrombahany ny fahefana dia mahatsapa tsara ny filohan’ny FAT fa sarotra ny toe-draharaha ary tsy ho tafavoaka mihitsy ny fanovàna noventesiny teny an-kianja raha tsy misy ny fanampiana avy any ivelany.

Efa niezaka nikaroka famatsiam-bola hafa ihany izy, saingy tsy nety izany. Koa rehefa nanomboka nimenomenona ny vahoaka noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia voatery nifampiraharaha tamin’ireo ankolafy notsipahany ihany ny ankolafy Rajoelina. Kabary politika fotsiny no atao etsy sy eroa hoe hanainga ny sambo fa mijanona izay tsy mazoto hiditra ao, sy ny hoe politikan’ny fisokafana no ataon’ny fitondrana tetezamita fa tsy misy fiaraha-mitantana izany. Fa ny tena marina dia fampiharana ny satan’i Maputo nasiam-panitsiana kely no atao eto, satria izay ihany no eken’izao tontolo izao, ary antoka amin’ny fiverenan’ny famatsiam-bola.

Raha ny fahitana azy dia tsy misy intsony ny tena hoe olana politika goavana amin’izao fotoana, resaka fifandaminana amin’ny fandrafetana ireo andrim-panjakana sisa, angamba no mbola atao. Efa mipetrapetaka ihany koa ny fizarana ny toerana eo amin’ireo ankolafy tsirairay avy, hodinihana amin’ny fiandohan’io volana febroary io ny resaka famotsoran-keloka, ary efa manangasanga ny famoahana ireo gadra politika. Hita ihany anefa fa mbola mikaroka izay hahazoany tombony i Andry Rajoelina ary mitady paik’ady mafy hanaovana izany. Araka ny ritsoka mandeha dia mety hanaiky ihany ny fiaraha-mitantana tena izy ary hanendry praiministry ny firaisam-pirenena, izay tsy ho i Camille Vital velively, Atoa Andry Rajoelina fa hitaky kosa ny hahafahany mitantana ny tetezamita sady afaka mirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, na dia efa nilaza ny tsy hanao izany aza tamin’ny 12 mey 2010. Mamy ny atsy, fy ny aroa, ary tsy maintsy misy sandany ny safidy politika atao, eo am-piketrehana tanteraka ny filohan’ny tetezamita amin’izao fotoana satria manoloana sampanan-dalana tena hanova ny tantaram-pirenena izy. Miankina amin’ny safidiny izany ny hampilamina na hampikorontana indray ny raharaha.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT