Edito

Sady tsy mahay no tsy mahalala !


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

« Mba ampianaro ihany ny ankizy », hoy ny fomba fiteny izay ary dia mitamberina ao an-tsaina izy io rehefa mahita ny tsy fahampian’ny fahalalana amin’ireo manampahefana sy olom-boafidy sasany. Tsy tahotra tsy henatra no nilazan’ny depiote iray,


omaly fa arofanina amin’ny fanajana ny lalàmpanorenana, hono, ny depiote…Dia mahagaga sy mahatalanjona, asa hoe efa namaky ny lalàmpanorenana sy niaina teto Madagasikara foana ve ity solombavambahoaka iray ity no tsy mahafantatra fa fahefana mpanao lalàna ny antenimieram-pirenena ary manara-maso ny asan’ny governemanta. Manampy izany ny mihaino ny hevitry ny olona any amin’ny faritra naha voafidy azy ka mamadika izany ho lalàna mba handrindrana ny fiainan’ny fiarahamonina. Ny filoham-pirenena no miantoka ny firaisam-pirenena sy ny fanajana ny lalàmpanorenana ary ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no mandinika, araka ny lalàna na manara-dalàna na tsia ny volavolan-dalàna na tolo-dalàna iray. Tsy mahagaga raha tsy mety mandroso ny firenena satria ireo mpanao lalàna mihitsy no tsy mahafantatra ny andraikiny, sady efa tsy mahay no tsy manana fandavan-tena hikaroka sy hianatra fa dia be filaza fotsiny ary tsy menatra miteniteny foana imasom-bahoaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT