Edito

Sady mahari-pery, no mora manadino


  • Talata 17 Aogositra 2010


Manomboka mipoitra tsikelikely amin’izao fotoana ny fanehoan-kevitra sy ny antso isan-karazany, manainga mavesatra ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina mba hilatsaka hofidiana filoham-pirenena. Ao amin’ny onjampeo natsangany moa no tena andrenesana isan’andro izany antso izany. Araka ny filazan’ireo manao ny antso dia tsy mbola vita ny adidin’i Andry Rajoelina manoloana ny firenena ka tokony handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana ny tenany. Eo koa moa ilay hoe ny latsa-bato ataon’ny vahoaka mpifidy ihany no fitsarana tena izy ho an’ny mpanao politika sy ny mpitari-tolona, ary eo no ahitana ny tena marina hoe iza no eken’ny vahoaka masi-mandidy, fa hitantana ny firenena. Raha ny fandinihan’ny maro azy dia tsy kisendrasendra ireny famerimberenana ny fiantsoana an’i Andry Rajoelina mba handray andraikitra hatramin’ny farany ka hilatsaka hofidiana filoha ireny, fa efa drafitra maty paika. Ary raha dinihina tsara aza ny tranga rehetra tato anatin’ny roa taona latsaka dia efa tena niomana ny amin’izany fiatrehana ny fifidianana izany ny filohan’ny FAT, na dia tsy mbola nilaza mihitsy aza fa ho kandida ny tenany.

Izy rahateo moa tsy feno taona araka ny takian’ny lalàmpanorenana, saingy tahaka ny zava-drehetra nitranga tato ho ato izay dia mety tsy ho olana aminy izany, satria azo ampidirina ao anatin’ilay fifanarahana politika mbola afaka asiam-panovana, ka dinihana ao anatin’ny fihaonambem-pirenena ny momba azy manokana, raha toa ka tena vonona marina ny hiatrika ny safidim-bahoaka izy. Ary na dia efa nilaza ny tsy hilatsaka aza i Andry Rajoelina dia tsy misy mihitsy aloha hatramin’izao ny andinin-dalàna mandrara azy hivadi-dela ka hanambara indray fa noho ny fiangavian’ny olona sy vondron’olona ary fikambanana maro manerana ny nosy dia ho kandida filoham-pirenena indray ny tenany, noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Efa teknika fampiasan’ny mpanao politika rahateo izany, indrindra fa aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara. Efa tsinjon’ny rehetra fa tafiditra sahady ao anatin’ny propagandy, mialoha ny fotoana, ny fananganana ny fikambanana FITIA tarihan-dRtoa Mialy Rajoelina sy ny fitetezana an’i Madagasikara nataony, tamin’ny alalan’ny voin-kava-mahatratra. Izy mivady rahateo dia nilomano an-taonany maro tao anatin’ny tontolon’ny serasera, ka sarotra ny inoana fa zavatra kisendrasendra no ataony.

Ho an’ny mpandinika ny vaovao politika dia sady miezaka ny hitantana hatramin’ny farany ny tetezamita Rajoelina no manomana ihany koa ny filatsahan-kofidiany, ary tena manana tombony lavitra izy raha oharina amin’ireo kandida hafa, satria na inona hambara na inona, dia eo ambany fahefany aloha amin’izao fotoana ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra. Mitovy tamin’izy nilatsaka hofidiana Ben’ny tanàna ny zava-misy amin’izao, fotoana raha araka ny filazan’ny manampahaizana momba ny politika, iray tafaresaka taminay. Vitsy ihany mantsy, hoy izy no resy lahatra tamin’ny 2007 fa hahavita handrodana ny fitondrana Ravalomanana ilay Ben’ny tanàna tanora dia tanora ary ankehitriny dia maro no mieritreritra fa tsy ho sahy hilatsaka hofidiana i Andry Rajoelina satria mety tsy haharesy tosika ireo mpanao politika efa zatr’ady amin’ny fifidianana, saingy tsy tokony hohadinoina, hoy ihany ity mpahay politika ity, fa tahaka ny kodiaran-tsarety ny politika, ary tena sarotra ny mamantatra izay ho ambony sy ambany rahampitso. Ny namaranany ny fanazavany moa dia ny hoe : «mpifidy hafa kely ny Malagasy satria sady mahari-pery, no mora manadino, no tia vao … ; efa fantatry ny mpanao politika io toetra io, ka hainy ny milalao azy sy mamadika azy ho amin’ny tombontsoany».

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT