Edito

Ry mpandrora mitsilany isany…


  • Talata 10 Jolay 2018

Mihodina ihany ka mihodina saingy hatreto aloha dia ny eo ihany no eo. Tsy mivaha ny olana sendikaly, ny olan’ny mpampianatra sy mpanabe.


 Mikatso ny raharaham-pirenena ary miha ratsy hatrany ny fanantenana mikasika ny hoavin’ireo kilonga Malagasy. Miziriziry ny praiminisitra fa tsy miova ny datim-pifidianana na dia efa maro aza ny tsikera mandeha fa hiteraka korontana izany raha izao politika ankehitriny izao no hiatrehana azy. Tsy mihemotra koa, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ny fanadinam-panjakana rehetra. Etsy an-kilany anefa dia manamafy fa tsy hihemotra koa ny fitakian’izy ireo. Iza no hahazo tombony amin’izany rehetra izany ? Azo antoka fa tsy ny Malagasy velively aloha. Iza kosa anefa no ho maty antoka ? Azo antoka fa ny firenena manontolo toy ny efa nitranga tao anatin’izay 58 taona izay ihany. Be ny zavatra azo atao ety, hoy ilay hira izay, saingy ny mahagaga anefa dia olobe nandranto fianarana ambony sy milaza azy na lazaina ho manampahaizana daholo no mitantana ity firenena kely voatokana ho nosy ity kanefa dia tsy mahita izay atao hatramin’izao hamahana ny krizy lalovanao. Efa fantatra hatramin’izay fa tsy natao hiankinan-doha ny mpamatsy vola sy ny hery avy any ivelany fa mpiara-miasa fotsiny ihany no mahatsara azy ireo. Mbola miharihary foana anefa hatramin’izao fa toy ireny baikon-janahary ireny mihitsy no handraisantsika ny fanerena rehetra avy any Dilambato. Dia tokony ho tezitra ve ireo mpanapakevitra eto amintsika raha hotsarain’ny vahoaka hoe “Ry mpandrora mitsilany mianakavy ?”

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT