Edito

Ry be sinema mianankavy !


  • Alatsinainy 23 Jolay 2018

Tsy maintsy hotanterahina ny fifidianana satria izay no voafaritry ny lalàna e !

Manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ary tsy tokony hirosoana aloha ny fifidianana fa andao hanao fanorenana ifotony, ka andao hidina an-dalambe hanoherana izany e ! Ireo no endrika isehoan’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ankoatra ny fihetsiketsehan’ireo milaza ho kandida manao fanambarana sy mamory vahoaka. Ankoatra izay dia eo ihany koa ny fitakiana sendikaly tsy mety tapitra. Ry be sinema ao anaty fitondrana milaza ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana ihany anefa no malaza ho ao ambadiky ny fandrisihana ireo ambara fa hanorina ifotony satria manomboka mibaribary ny hoe olona akaiky ny fitondrana ihany no tena mitarika io. Ny ankamaroan’ireo mpanao sarimihetsika milaza hitarika ilay ambara fa fanorenana dia efa nitondra ny firenena ny ankamaroany, saingy tsy hita izay nafitsoka kanefa izao dia be moraly sy milaza azy ho zavatra sy mahalala ny tena aretin’ny firenena. Tsy ny hevitra no ratsy fa ny fiheverana ny rehetra ho dondrona sy kentrina satria ny ankamaroany, dia mba te hitady fahefana saingy tsy hahazo raha fifidianana no atao fa fizarazaran-tseza ihany no mba hany fanantenany sy iriany fa hahazoany fahombiazana. Na izany na tsy izany ihany koa anefa, dia tsy hisy zava-banona ao anaty fifidianana ratsy fototra, saingy tsy any anaty fizaran-tseza sy fahefana ka hiaraha-mitantana ao anaty 2 taona na mihoatra no vahaolana. Apetraho ny lalàna sy ny fitsipi-dalao mazava, ary ravao sy amboary ireo rafitra mila hovaina dia alefaso ny lalao ary ataovy madio raha tena mafy fa aza be sinema lava eto e ! Tsy ilana volabe na tetezamita roa taona izany fa finiavana no tsy misy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT