hoy ry zareo avy ao Fianarantsoa ao.
Midika tsy fiverenan-dalana intsony izany na inona na inona mitranga. Maro ireo sefo fokontany nongotan’ireo mponina sasany tany amin’ny fokontany nampandraiketana azy avy tany. Nisy ben’ny tanàna tratran’ny toy izany ihany koa. Mivadika ankehitriny ny rasa eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Ny teo amin’ny toeran’ny fanoherana teo aloha no nahazo ny fitantanana an’i Tsimbazaza. Hatramin’ireo maro an’isa nanohana ny fitondràna teo aloha aza nivadika lasa nanohana izao rafitra vonjimaika hitantanana ny firenena izao. Nalàn’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana ny zom-pirenena maha malagasy ny filoham-pirenena teo aloha. Tratry ny fanenjehana iraisampirenena ilay mpandraharaha nalaza ho nangeja hatramin’ny fiainam-pirenena teto amin’ity firenena ity, na dia ezahana atao miteraka adihevitra aza ny didy fampisamborana iraisampirenena navoaka ho azy eto Madagasikara. Tao anatin’izany dia nisy ny minisitra very toerana, izay lasa mameno azy ankehitriny ny tambazotran-tserasera sy haino vaky jery samihafa, lasa tsy mitsahatra miteny fa mbola filoham-pirenena ihany ilay teo aloha ary tsy ara-dalàna ny nanesorana ny zom-pirenena. Mbola mahita tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny be dia be mihatra amin’ny filoham-pirenena teo aloha ity farany ary toy ny maha te hametra-panontaniana hoe ara-dalàna sy ara-drariny daholo ve izany ny vitan’iny fitondràna taloha iny sy ny forongony nanomboka ny 2009 no ho nankaty, 16 taona be izao? Lasa tsy mitsaha-mitabataba ilay ramatoa raha toa ka na ny nandray antsona mpanao gazety aza tsy nataony fony izy minisitra. Toy izany koa ilay namana hita ho akaiky azy amin’izao fotoana izao, izay raha ny fomba firesak’izy ireo moa izany dia toy ireny tena hoe nety hatrany ireny ny nataon’izy ireo tao anatin’izay 16 taona izay. Tsy nisy tomika! Mbola nanamafy ireo farany teo fa mbola ilay fitondràna teo aloha ihany no mitondra hatramin’izao ary ara-dalàna. Nivoaka indray iny ny governemanta vaovao. Nandeha ny fifamindram-pahefàna samihafa ary nanaiky ny hamindra fahefàna ireo tompom-pahefàna tamin’ny fitondràna teo aloha. Asa hoe mbola hilaza indray koa ve izy ireo fa tsy ara-dalàna na tsy nety ireny fifamindràm-pahefàna be dia be ireny fa mbola ireo teo aloha ihany no mbola minisitra? Na inon-kambara anefa aloha dia ireny no hitan’ny maso sy tranga hatramin’izay nisian’ny fitondràna vaovao izay. Ankoatran’ny efa voalaza teo aloha, dia isan’ny fiteny koa ny hoe «Roso ny dia!», mbola entina ilazàna hatrany hoe tsy miverina any aoriana ity fa mandroso foana. Mila tandremana ihany koa anefa sao sanatria ho «Roso gaigy» no hiafaràna raha tafahoatra loatra ny mbola tsy fanekena ny rivo-baovao mitsoaka miandalana eto amin’ny firenena ankehitriny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.