Edito

Roso ny «Exode Urbain» Olona 2 000 efa vonona hifindra monina


  • Talata 08 Jolay 2014

Tena vonona tanteraka amin’ny fifindra-monina miala ny tanŕn-dehibe na ny «Exode Urbain» ireo olona 2 000 nisoratra anarana raha ny fahatazanana azy ireo niatrika ny fivoriambe (AG) omaly teny Anosizato misy ny biraon’ny Hafari Malagasy

Marihina fa isaky ny alatsinainy voalohany isam-bolana no manatanteraka ity AG ity ny mpikambana Hafari Madagasikara rehetra ka tamin’io omaly io dia nampahafantarin’ny filohan’ity vovonana ity ny dingana efa vita hirosoana marina amin’ity tetikasa «Exode Urbain» ity hatreto. Novakiana ampahibemaso avokoa ireo fangatahana nalefan’ny vovonana tany amin’ireo minisitera tompon’andraikitra mikasika ny tany sy fiarahamonina rehetra ary koa ny valin’izany, tahaka ny azo avy amin’ny minisi-panjakana misahana ny fotodrafitrasa, ny fampitaovana ary ny fanajariana ny tany nilaza fa : «Ny zavatra ataonareo Hafari dia ahazoana miady amin’ny fahantrana misy an-tanàn-dehibe. Ny «fiverenana amin’ny tany» na fifindra-monina an-tanàn-dehibe dia anisan’ny iray amin’ireo mandrafitra ny tetikady atao amin’ny tanàn-dehibe ohatra an’Antananarivo mba hanampiana ireo mahantra sy ny tsy manan-kialofana. Efa midika fankatoavana ity tetikasa ity izany aminay, hoy Rafanomezantsoa Jean Richard, na dia mbola mitaky aminay ny fandefasana any amin’ity minisitera ity ny antontan-taratasy ara-teknika ny tetikasa tahaka ny saritany … Nasehon’ny Hafari tamin’ny mpikambana koa ireo fiarakodia miisa 5 azon’ny fikambanana tamin’ny vola 100 tapitrisa Ariary voaangona hatreto. Nambara teny Anosizato koa ny asa eny amin’ny «carrière» sy ny hananganana tsena eny Ambohidratrimo ho fanombohana sahady ny fihariana atao mialoha ny tena hifindrana monina sy hananganana trano fonenana vaovao. Anio talata no fantatra fa hanateran’ny Hafari ny anaran’ireo nisoratra anarana haka tany eny amin’ny minisitera tompon’andraikitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT