ROSO ny DIA

Tafapetraka ny fototra iaingana ho


  • Talata 26 Mey 2026

amin’ilay fifanakalozan-kevitra,

fanomezana soso-kevitra, adihevitra. Io ilay fikaonandoham-pirenena e.Sehatra tokana ahafahan’ny Malagasy miresaka sy manao tenierana ny amin’izay lalana tian-kizorana amin’izay manomboka eto hisorohana ny olana politika mivadika ho krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy goavana ka mampahazo faka ny fahantrana sy ny fahalovana eto. Hisy ny fandaminana eny anivon’ny fokontany tsirairay avy, soa iombonana no erena eto ary ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny ho avin’ny taranaka no zava-dehibe indrindra. Raha mbola ilay hampisongadina antoko politika na hanao ho andriamanitra kely mpanao politika sy manampahefana dia ny teo aloha ihany no hiverina.Mila miova tanteraka ny fomba fisainana sy ny fomba fiasa, tsy hitsiriritra ny hafa intsony fa aleo ny Malagasy mba manana ny azy hireharehany .Efa fantatra tsara ny tsy nampandeha ny raharaha teo hatrizay : mody mifanohana sy miara-dia aloha, avy eo mifanongana ; lasa teny filamatra fotsiny ny hoe tsy maintsy mandroso. Tsy fitoniana no tena niainana tao anatin’ny 60 taona mahery kely. Roso ny dia ankehitriny, inoana fa efa samy nandray lesona tamin’ny lasa ka tsy hamerina intsony ireo efa naloan’ny vahoaka. Zava-baovao no ahafahana manorina fa raha ny zavatra taloha ihany no averina dia eee…ho sahirana eto isika mianakavy. Mila samy tonga saina kosa anefa fa ny olona anie efa lasa lavitra e, mba ampandeferina ilay hambom-po fa mjery ny soa iombonana. Roso ny dia tsa mipody intsony.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT