Mihazakazaka ny toe-draharaha, taorian’ny fihaonana teo amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, sy ny fahatongavan’ny SADC teto Madagasikara indray mba hanamarihana fa tsy mbola voavaha tsara ny krizy, dia indro fa mijoro ny FFKM ary tena hanomboka amin’izay ny asa fampihavanana.
Tsara fanombohana ihany ny omaly alahady satria hita tokoa fa samy vonona amin’ny fampihavanana ny ankamaroan’ireo ankolafy politika eto amintsika. Mbola hisy ny fifampidinihana anio, manombatombana ny mpanara-baovao fa izay vao tena ho raikitra marina ilay fihaonana an-tampony, hirahiran’ny amiraly Ratsiraka satria efa tena tsy dia misy firy intsony ny sakana amin’ny tsy hahatanterahan’ilay izy. Raha tsorina ny resaka dia ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sisa no tsy resy lahatra tsara amin’ity fihaonana an-tampony ity. Azo ifandresen-dahatra anefa ny zava-drehetra ary tsy misy tsy vitan’ny resaka, ara-politika rahateo dia tsy hanava-tena ka handà io fihaonana an-tampony io i Andry Rajoelina sy ny Mapar satria tena ho ratsy endrika avy hatrany manoloana ny malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Tsy maintsy misy foana ny dinika savaranon’ando amin’ny zava-drehetra ka mandritra izany no hifandaminana amin’ny fomba hanatanterahana ilay fampihavanana, efa ny FFKM moa no nekena fa hitarika azy io, hatreto aloha dia efa manana ay fomba fiasany izy. Manan-kolazaina ireo ambara hoe ray ama-dreny ara-drazana, tahaka ny Tangalamena ary inoana fa olon-kendry izy ireo afaka miresaka amin’ny rehetra ka hanamora sy hanafaingana ny fampihavanana fa tsy sanatria ho sakana amin’izany indray akory. Tombanan’ny mpanara-baovao fa efa misy dingana goavana vita miloha ny faran’ity taona ity, momba io resaka fampihavanam-pirenena io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.