Edito

Roso ihany ve ny dia sa ....?


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2012

Dila indray iny ny volana septambra, ary santarina amin'ity anio ity ny oktobra. Fanisam-bahoaka sy fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy indray no malaza manomboka izao.

Ireo nianatra ny resaka fitantanana dia mahalala fa ny fiomanana no tena zava-dehibe. Rehefa tsara omana ny tetikasa iray dia misosa ny fanatanterahana ny asa, na dia misy ihany aza ny tsy ampoizina eny anelanelany eny. Goavana loatra noho izany ity fanisana ny mpifidy hotanterahan'ny CENIT ity, satria raha ao no misy zavatra tsy mety, dia hisy voka-dratsiny any amin'ny fifidianana. Hatramin'izay teto Madagasikara dia tsy mbola nisy lisi-pifidianana tonga lafatra mihitsy fa matetika no ahitana olona efa maty kanefa mbola voasoratra ao amin'ny lisitra, ny anarana diso sy adiresy mifamadika moa dia efa mahazatra. Tsy fantatra intsony na olana ara-teknika na tsy fitandremana no mahatonga izany, na tena fanahy niniana natao mihitsy. Efa niatrika fifidianana iray tamin'ny 17 novambra 2010 ny fitondrana tetezamita, ary efa niaraha-nahita ny tsy fahamatoran'ny fikarakarana. Soa lavo hahay hamindra, ary soa kenda hahay hitsako. Miseho amin'ny endrika vaovao ny CENIT ary antenaina fa hanana fomba fiasa vaovao, mety sy tsara kokoa noho ny teo aloha. Mizara moa ny hevitry ny olona amin'ity CENIT ity, misy ireo sahy milaza fa tsy mahaleotena izany io rafitra io, ka aoka tsy hifanadala fa dia aleo mitsotra ny marina. Misy kosa ireo te hino fa mahaleotena ny CENIT, ao ny tsy mivaky loha amin'izany ka mihevitra fa endrika ivelany sy fihetsiketsehana fotsiny no nananganana azy io, fa raha ny tena marina dia efa fantatra ny anaran'izay ho filohan'ny Repoblika faha-4. Misy tokoa mantsy ireo tena resy lahatra fa tsy fifidianana demokratika izany no misy aty Afrika, fa fampandaniana olona amin'ny fomba demokratika (?).

Tsy mahatakatra ny politika avo lenta sy ny paikadin'ny diplaomasia ny ankamaroan'ny Malagasy, fa kosa miandrandra filaminana sy fitoniana. Mpanao politika vitsivitsy no tena mahazo tombontsoa amin'ny fitaran'ny tetezamita sy ny krizy, fa raha ny vahoaka no anontaniana dia efa tena leo izy ireo. Dingana tsy maintsy irosoana anefa ny fifidianana ary tsy maintsy hotanterahana eto izany, ny daty rahateo moa efa navoaka. Moa anefa ve, feno sy tomombana ny fepetra iatrehana io fifidianana io ? Hanomboka izao ny fanisam-bahoaka, dia efa manana fomba fiasa matotra hanatanterahana izany ve ny CENIT, indrindra fa any amin'ireo faritra misy asan-dahalo. Ahoana ny amin'ireo mpifindra monina an'aliny ?

Ankoatra ny bokin'omby sandoka, dia nahita kara-panondro marobe sandoka ihany koa tany amin'ireo dahalon-dRemenabila, ahoana ny fanaraha-maso ny amin'ny kara-panondro tena izy sy ny sandoka ? Resaka teknika ranoray amin'ny fiomanana amin'ny fifidianana fotsiny izany fa mbola zavatra hafa ny resaka politika, tahaka ny hoe iza avy no kandida afaka mandray anjara ? Ahoana ny momba ny filoha teo aloha sy ny filohan'ny tetezamita ? Ary ny somary mampanahy aza izao, dia tsy mbola tena marisika hamatsy ara-bola ny fifidianana ny sehatra iraisam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT