Hafampana indray manomboka amin’ity herinandro ity ny tontolo politika satria iaraha-mahalala izao fa ny zoma ho avy izao ny datin’ny 13 mey, nampamaivay ny tolon’ny mpianatra sy ireo rehetra leon’ny fitantanan’ny filoha Tsiranana ny Repoblika voalohany ka nampirodana azy.
. Raha io resaka tolona sy fanehoan-kevitra io aloha dia efa nivalona ho tantara ankehitriny satria niova ho Lapan’ny tanàna sy fefy vy be ny ao amin’ny Kianjan’ny 13 mey hatrizay ary tsy azo hanaovana fihetsiketsehana na famorian’olona intsony, indrindra fa raha misy loko politika. Na dia eo aza anefa ny be marenina sy ny herim-pamoretan’izao fitondrana izao dia tsy mihemotra ny mpanohitra ka nivondrona ary nilaza fa hanao rodobe ato ho ato. Raha tsorina ny resaka dia hitarika vahoaka hidina an-dalambe izany ny Ankolafy 3 sy ireo antoko ary fikambanana mitovy fomba fijery aminy ka mahita fa famitaham-bahoaka fotsiny no nataon’i Andry Rajoelina tato anatin’izay roa taona mahery izay fa tsy nisy akory izay hoe fanovana ho any amin’ny tsara kokoa. Raha natao izany ny kajy dia hafampana, araka ny efa nambara teo ny tontolo politika eto Madagasikara ato anatin’ny roa herinandro satria amin’ity herinandro ity aloha dia ao anatin’ny fanomanana ny hetsika goavana ataony ny mpanohitra ary mety hisy ny fidinana an-dalambe sy ny famoriam-bahoaka. Fito andro aorian’ny datin’ny 13 mey kosa dia higadona ny 20 mey hivorian’ireo filoham-pirenena ao amin’ny SADC ka mety hanapahan-kevitra ny amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.
Zavatra roa no andrasan’ny maro, dia na manaiky ilay sori-dalan’ny SADC ka miroso ny dian’ny tetezamita na asiam-panitsiana na ovaina tanteraka mihitsy ilay sori-dalana ka tsy maintsy hisy ihany ilay hoe fihaonan’ny filohan’ny ankolafy, ka atomboka amin’ny Ankolafy efatra izany dia hisandrahaka any amin’ny ankolafy sy vondrona politika hafa. Samy manana ny paikadiny handresen-dahatra ny sehatra iraisam-pirenena ny andaniny sy ny ankilany amin’izay. Ny FAT moa dia io mitety an’i Afrika sy izay firenena manohana azy io, ny mpanohitra dia nifoha tamin’ny torimasony ka nilaza fa hanao rodobe fa tsy hofehezin’ny rindrin’efatry ny Magro intsony. Amin’izay indrindra dia miandry ny mety ho fihetsiky ny mpitandro ny filaminana ny rehetra. Hisy indray ve izany ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra ary fisamborana, raha toa ka mivoaka ny Magro ny Ankolafy 3 sy ireo mpomba azy ? Mety hiditra eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey na ny Kianjan’Ambohijatovo ve izy ireo ? Raha hoe tolona teto Madagasikara mantsy dia tsy lasa lavitra mihitsy raha tsy tafajanona maharitraritra teo amin’ny 13 mey noho io toerana io manana ny lanjany manokana amin’ny tantaram-pirenena.
Raha izany no izy, hisy indray ve izany ny gidragidra amin’ity herinandro ity, na amin’ny herinandro ambony ? Hotsarain’ny mpanara-dia azy ireo mpitarika ao amin’ny Ankolafy 3 taorian’ny fanambarana nataon’izy ireo fa ho avy ny rodobe sy ny hetsika goavana. Raha tanteraka tokoa izany dia hitombo ny herin’ny mpanohitra ny FAT, fa raha sanatria kosa ka nijanona ho kabary manaitaitra fotsiny dia ho ratsy ny ho tohin’ny raharaha ho azy ireo, satria sady ho lefy ny tolona no mety hiditra am-ponja ireo nanao fanambarana, no mbola hahazo vahana amin’ny fanapahan-kevitry ny SADC amin’izay ny tetezamita-dRajoelina satria tsy mahavita azy ny mpanohitra. Dia ho hita eo ny ho fipoakany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.