Tena rivodoza tokoa no nandalo teto amintsika omaly, ary horaketina ao amin'ny tantaran'i Madagasikara ny datin'ny 14 febroary 2012, tokony ho andron'ny mpifankatia, kanefa dia lasa andro manjombona ho an'ny firenena noho ny fahapotehana sy ny fahasimbana, teo ihany koa ireo aina nafoy.
Nahery vaika ny rivodoza Giovanna, niditra an-tanety ny talata tamin'ny 1 ora maraina tany Andevoranto-Brickaville, ary dia namakivaky Distrika maro, nizotra miankandrefana. Nandalo teto Antananarivo i Giovanna ary tena henjana ny fahasimbana sy fahapotehana navelany. Nidaraboka ny andron-jiro maro, tapaka ny hazo, nisy ny fiara simba ary nikatso ny fifamoivoizana. Tapaka naharitra, efa ho 24 ora ny jiro sy ny rano tamin'ny farita maro. Niezaka namerina amin'ny laoniny ny famatsiana moa ny Jirama, saingy tena henjana ny raharaha ary tsy ho vita ny hanome fahafaham-po ny rehetra. Maro no nimenomenona noho izany satria tena simba ny asa fitadiavana. Nisy aza ny toeram-pitsaboana no velon-taraina mihitsy noho ny fahatapahan'ny herinaratra, satria misy ny fanafody tsy maintsy tehirizina anaty vata fampangatsiahana no simba. Tondraka ny reniranon'i Mamba, maro no tsy manan-kialofana eny Ankadikely sy Sabotsy Namehana sy ny manodidina eny.
Efa natomboka omaly moa ny famonjena ireo traboina ary nanatri-maso izany ny Filohan'ny tetezamita sy manampahefana ambony sasantsasany. Mampalahelo moa fa amin'ny vanim-potoana tahaka izao dia tsy maintsy misy foana ny mpanararaotra ka anisan'izany ireo mpivarotra mampisondrotra ny vidin'entana. Misy koa ireo mpangalatra sy mpanao halabotry, mivelona amin'ny fahorian'ny sasany. Ny krizy tsy mivaha, dia tonga indray ny krizy iray goavana. Midika izany fa latsaka anaty fahasahiranana tanteraka i Madagasikara satria azo antoka, fa tena hisy akony ratsy amin'ny toekarem-pirenena ny fandalovan'ny rivodoza Giovanna. Tsy fotoan'ny fanakianana sy fifanenjehana izao, fa fotoan'ny fifanampiana sy fanarenana. Mety mba ho tonga saina amin'izay koa ny rehetra fa tsy misy mahavita tena irery izany eto
. Nosy i Madagasikara ary tsy maintsy miara-miasa ny rehetra ao aminy raha te hivoaka amin'ny krizy fa tsy hiandry fanampaiana avy any ivelany foana. Tsy misy mahasakana rivodoza izany ! Fiomanana mba hampihena ny loza mety hitranga ihany no azo atao. Maro koa no mahita fa tsy tongatonga ho azy izao rivodoza mitranga anaty krizy eto Madagasikara izao fa tena miendrika fanairana sy kapoka avy amin'Andriamanitra noho ny fahalovana sy zavatra tsy mety mitranga eto amin'ny firenena. Tsy misy afa-bela amin'io fa dia samy tompon'andraikitra ny tsirairay !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.