Rivo-baovao

Na tiana na tsy tiana dia heverina fa


  • Zoma 13 Desambra 2024

hiaina rivo-baovao manomboka eto ny fanaovana politika eto Madagasikara.

Tsy azo tsinontsiniavina ny mbola fahamaroan’ireo olompirenena tsy tonga nandatsa-bato ho ana kandida heveriny ho afaka hitondra izay rivo-baovao izay. Zava-dehibe lavitra noho izay indrindra koa anefa ny nahafahan’ny antoko politika nifototra tamin’ny antsoina hoe vina sy fotokevitra ho lasa mpifaninana mifanatsahana tsara amin’ireo hery politika lehibe miisa 2 hita ho nivoy tsangan’olona nibahana ny tontolo politika teto Madagasikara efa ho 20 taona izao. Rivo-baovao miainga hanavao ny tontolo politika eto Madagasikara izany ary inoana sy antenaina fa hahavelom-bolo ireo rehetra mihevitra ny tenany ho mbola manan-tsaina. Mbola manan-tsaina hisainana izay tena mahasoa ity firenena ity ary mbola hanabevoho izay rivo-baovao efa miainga izay ihany koa ho lasa firaisankinan’ireo tena tia tanindrazana eto amin’ity firenena ity ka hihevitra amin’izay manomboka eto fa tsy mifototra amina anaran’olona na tsangan’olona mihitsy izany atao hoe fampandrosoana fiarahamonina na firenena iray izany fa miankina amin’ny fahaiza-manambatra ireo talenta sy fahaiza-manaon’ny rehetra mba hananganana ny mahasoa iombonana. Toy ny nahazatra hatramin’ny nahazoana ny atao repoblika malagasy noho nankaty ankehitriny ny zava-misy eo amin’ny tontolom-pifidianana. Tsy mety tomombana, tsy mety milamina, miha maloto faran’izay maloto hatrany mihitsy aza. Heverina fa tsy natao hipetraham-potsiny sy toherina tokoa izany saingy heverina maha be fanantenana lavitra kosa, etsy ankilan’izay, izay rivo-baovao miainga izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT