manao ririn-dasa tsy tsaroana ! Rehefa izy ireo no misioka dia
voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo. Taloha zo fototra ny midina an-dalambe rehefa tsy mahavaha olana ny Fanjakana, raha tsy hilaza afatsy delestazy, fa izao fanakorontanana. Taloha azo atao ny manani-dapa sy mandeha amin’ny faritra mena, ary tsy tahotra tsy henatra manao loham-boto mibeda sy mitsaingoka fananan’olona fa izao ny olom-boafidy manatitra taratasy any amina lapam-panjakana mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana voasokajy ho manafika lapa. Taloha ny fifanarahana amin’ny vahiny amin’ny resaka fampiasana sy fampanofana tany famadihan-tanindrazana tsy azo leferina ary ahafahana manongam-panjakana, fa izao ankoatra ny fifanarahana tsy mazava sy famonoana ny madinika amin’ny fanotofana amboletra tena tsy olana. Ny lainga, fampanantenana poakaty, kolikoly, tsy fahaizana mifehy ny toekerana, tsy mijery ny laharam-pahamehana tena miompana amin’ny filam-bahoaka,… no fototra ijoroan’ilay Fanjakana fa tsy olana. Ny resaka Fanjakana tan-dalàna, demokrasia, mangarahara izany,… dia anaran-tsy very ao anaty rakibolana angamba, fa izay tena fampiarana sy fampiasana azy tsy misy. Hay ny miresaka fitoniana sy filaminana no antoka miroso amin’ny fampandrosoana rehefa mahazo tsirony ao anaty Fitondrana. Manao ririnin-dasa tsy tsaroana manome lesona mikasika demokrasia, kanefa ny natao hatrizay, ny fihetsika hatramin’izao,… dia tsy ho demokraty. Raha raisina sary an-tsaina, dia ny saka mpangala-pihinina indray no mampianatra fa tsy azo hangalarina ny trondro eo ambony latabatra. Sarotra izany hanaiky ho diso izany, ka tonga amin’ilay fitenin’ny namana mpanara-baovao hoe : « ireo na efa tratranao mitaingim-pasana aza mbola lazainy fa mitady « réseau » ! Dia io miharihary toy ny vay an-kandriny io raha adin’ny roa ny delestazy tany aloha no nitombo lasa adin’ny folo ankehitriny, dia sahy ny milaza fa miasa sy manana programa mipetrapetraka ilay mpitondra nampiakatra ny oran’ny delestazy ho avo 5 heny ! Tsy dia atao mahagaga intsony, ary naman’ny miandry afo amin’ny maty raha hanantena fa hiova famindra ny mpitondra ankehitriny. Mila mifoha, mila tonga saina, mila miova, mila manova,… isika !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.