Edito

Ririnin-dasa tsy tsaroana !


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Sesilany ny seho ivelany amin’ny ambara fa vina hampisandratana an’i Madagasikara ataon’ireo heverina fa ho kandida filoha amin’izao fotoana.


Ny sasany mahita izany « fisandratana 2030 » izany, kanefa ny 4 taona aza tsy hita izay natao fa fampanantenana poak’aty sy lainga marivo tototra no betsaka. Tsy manana tanjona lavitra ary tsy mba manana vina mazava, fa mangala-tahaka fotsiny no fomba fiasa mba hakana ny fon’ny Malagasy, fa tsy hampandrosoana an’i Madagasikara velively. Vao nandray fahefana sy nikabary momba ny vina sy tetikasany amin’ny fitantanana an’i Madagasikara i Hery Rajaonarimampianina, dia efa kabary nalain-tahaka no nataony sy namitahany ny ambanilanitra, ka mbola azo atokisana sy misy antenaina ve ny ambarany ? Io indray i Andry Rajoelina fa nivoaka tany anaty fahanginany tany ary tsy nahalala akory izany Malagasy izany raha vao nanomboka very fihinanana teo amin’ny fahefana. Manao fiavin’ny tafara milaza fa mahita vahaolana ho an’ny firenena. Minia manadino ny tantara sy tsy te hahalala akory ny zavatra natao teo anelanelan’ny 2009-2014, fa dia mihevitra fa efa adinon’ny Malagasy ny famotehana firenena. Tsaroan’ny rehetra tsara ny kabary teny an-kianja, toy ny hoe hampidinina ny vidim-bary, menaka,… saingy indrisy ny entana avy norobaina no nanaovana izany. Tena mihevitra ny Malagasy ho dondrona sy manao ririnin-dasa tsy tsaroana ? Ny irariana dia ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara hahafahan’ny rehetra mirotsaka tsy hanaovana adin’ny kanosa, ka dia hotsarain’ny tantara eo ny rehetra e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT