Mafampana hatrany ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena na teo aza ny fitsanganan’ny governemanta, izay nambara fa handamina ny firenena sy hitondra an’i Madagasikara any amin’ny fifidianana mangarahara sy handraisan’ny rehetra anjara.
Mifanao bemarenina ny mpitondra sy ny mpanohitra ampian’ireo sendika sy mpiasam-panjakana mba mitaky fiovana sy fanovana. Tena mifanao « revy degany », hoy ny fitenin-jatovo, ka dia samy manao izay lohany sy saim-patany satria samy mihevitra ny tenany avy ho tompon’ity firenena ity. Rehefa leo sy reraka ve tsy hangina, hoy ny eo amin’ny fahefana raha dinihina ny zava-misy ka dia mihenjan-droa hatrany ny tady. Zary fomba fiady ihany koa ny hoe aleo handeha aloha ny fifidianana, fa ajanony any avokoa izay fitakiana sy fanovana raha tena mahasahy sy mahazaka vahoaka. Mifanohantohan-tsy ho lavo ny samy mambam-pahefana efa ao anaty fitondrana rehefa avy nanao tohatra fiakarana ny vahoaka, ary eo ihany koa etsy an-daniny ny mamba noana karazan’ny rangitin’iretsy efa manan-kianteherana ho tsy mahasahy sy tsy mahazaka vahoaka, ka dia mba mamondron-kery ihany koa. Ao ihany koa anefa ny tsikaritra fa vonona sy sahy hatrany ary tsy ho sakana mihitsy amin’ny fampandrosoana sy ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny Malagasy. Na izany na tsy izany, dia ny mbola ny « revy degany » aloha no betsaka eto, ka takona izay mety ho finiavana tena hikatsaka ny soa ho an’ny firenena sy ny vahoaka e ! Fihatsarambelatsihy sy fampiesonana no betsaka, ary hirarakopana izy atsy ho atsy !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.