Edito

Revolisionina nankany an-davaka


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Andeha anie mba hosainina sy halaina sary an-tsaina kely minitra vitsy monja hoe: raha ireo mpitantana ankehitriny no teo amin’ny fanoherana ka tahaka izao ny endri-pitantanana ny firenena dia inona no mety niseho?

Tsy finiavana hamoha fota-mandry na hamendrofendro, fa raha izao tokoa no tanjona nimatimantesana tamin’ilay nambara fa revolisionina 14 taona lasa izay dia faty antoka iray lavaka. Izay efa vory saina amam-panahy tamin’ireny vanim-potoana ireny dia afaka mampitaha tsara hoe: nihemotra isika sa nandroso? Betsaka ny zavatra potika sy rava tao anatin’izay, tsy ny toekarena sy ny sosialy na politika ihany, fa hatramin’ny soatoavina Malagasy no efa hotohoto tanteraka. Ny tena zava-doza anefa, raha ankizy 4 taona tamin’izany anie, dia efa tonga olom-pirenena feno hifidy amin’izao. Mandeha anefa ny fandemen-tsaina, fikosehana tantara,… Lalaovina ny sain’ny olona hanaiky fa izao no mety, mila miaritra sy miafy, tsy vita 5 taona ny fampandrosoana, mila tohizana ny asa efa natomboka,… Ny vokatry ny fitantanany firenena anefa nihemotra lavitra noho ilay nolazainy ho tsy manjary tany aloha. Noventesina ny ampihimamba, nodradradradraina ny resaka vidim-piainana, nolazaina fa tsy azo hoanina ny làlana, natao fitaovana nentina nanongam-panjakana ny fampanofana tany amin’ny vahiny,… Ny inona amin’izany no tsy miverina ankehitriny? Efa tsy misy intsony ve ny ampihimamba amin’izao ary malalaka ny fandraharahana ho an’ny orinasa Malagasy? Ny orinantsika ve no miantoka ny fahamarinan-toerana ara-toekarena eto? Andeha tsy haka lavitra fa hampitaha ny vidim-piainana ankehitriny sy tamin’ny dimy taona lasa fotsiny, ny delestazy, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly,… Tena azo antoka fa raha ny olon’izao fitondrana izao no eo amin’ny fanoherana ankehitriny ka tahaka io fomba fitantanany io ny endri-pitondrana, dia azo antoka fa mety efa raikitra ny filanjana vatam-paty teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Tena raha ny fanomezana lesona sy fanenjehana ary fanonganana mihitsy ny hafa, tsy noheverina ho tahaka izao mihitsy ny vokatra sy ny zava-misy. Anjaran’ny rehetra noho izany no mandinika sy maka lesona mba tsy ho in-droa na in-telo mahita ny maizina tahaka ny tain’omby natsentsina an-davabary intsony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT