Edito

Revo amin’ny kajikajy indray !


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Ny hazakazaka hahazo ny seza etsy Tsimbazaza indray izao no tena handanian’ny mpanao politika eto amin’ny firenena rondoha. Na ny ao anatin’ny fitondrana na ny mpanohitra dia samy miketrika mafy amin’izao.

 

Tsy hanana fitoniana sy filaminana firy ny fanjakana ankehitriny raha tsy mahazo ny maro an’isa ao anatin’ny antenimieram-pirenena, ka hanao izay farafahaizany. Fotoan-dehibe ho an’ny mpanohitra hahafahana manatsimbadika ny rasan’ny fifidianana filoha ihany koa anefa io hipetrahan’ny fifandanjan-kery eto amin’ny firenena. Ny mpitsara no toa adinodinon’ny maro fa ny efa teo aloha ihany no eo. Hanao lalao madio sa mbola hipetraka ny ahiahin’ny maro ? Fifidianana manakaiky vahoaka io, ka mety ho mora kokoa ho an’ny rehetra ny manara-maso azy. Inoana fa tena hazoto ary tsy hitaredretra ka hanaiky lembenana tahaka ny teo aloha. Sao mantsy dia ny mpifidy voasoratra anarana indray no vitsy noho ny tonga nifidy. Io aloha izany no tena kotrehana mafy amin’izao, ka sao hadinodino ny olana mianjady amin’ny vahoaka. Loza etsy, loza eroa,… fa toa tsy mahita horaisina ilay fanjakana. Toa mamoron-javatra hisintonana ny sain’ny olona tsy hifantoka any amin’ireny olana ara-tsosialy samihafa ireny ilay fanjakana, izay toa kofona tanteraka. Feno ny fahefana hanao zavatra, hanangana, hampandroso,… saingy tsy arakaraka ilay maha lamasinina haingam-pandeha azy aloha fa tena hita ho mbola sahirankirana ilay filoha vaovao. Raha ny fihetsiny hatramin’izay sy fandresen-dahatra natao tany amin’ny fampielezan-kevitra anefa, dia nisesisesy ny seho ivelany, kay dona tapany handoavan’ny olona erany tamin’ny fifidianana ihany ireny, ary naira-tapitra tamin’ny propagandy. Tsaroana ny hoe: tsy miandry lany fa tonga dia miasa, vao tonga eo tonga dia ataoko izatsy sy izaroa tahaka ilay karama farany ambany 200 000Ar, efa anaty sambo ny vary ka tsy hay na ritra ny ranomasina dia nihitsoka any na nilentika tahaka ny sambo titanika ilay izy,… Ny valala tsy an-tanana tokoa tsy atolo-jaza e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT