Edito

Revin’ny tetezamita


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Mihazakazaka ny fikaroham-bola amin’ny fomba rehetra avy ato anatiny, rehefa marisarisa ny avy any ivelany.

Nambara mantsy tany aloha fa tsy mila fanampiana avy any ivelany, saingy vao nivoaka voalohany ny firenena ny filoha hajaina, dia ny fanafainganana ny fanampiana ho an’I Madagasikara no nangatahany voalohany. Misy ihany ny vola azo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka saingy mitsitaitaika sy tsy mahafa-po. Ho avy masiaka amin’izay ary ry zalahy amin’ny don-tandroka amin’izay mety hahazoana vola, ka iny namoaka resaka fanaraha-maso ny orinasa goavana misy volabe miodina ao anatiny iny. Miverina ny revin’ny tetezamita, hoy ireo tena nahatsiaro ny tantara, mahita ity fihetsiky ny fanjakana ity. Toa tany amin’ireo orinasa goavana no heverin’ireo olona ambony sasany tamin’ny tetezamita fa banky fitoram-bolany, ka tsindry bokotra dia tsy maintsy mahazo. Miketrika ny fanjakana e! Miketrika vola! Taloha raha nandeha ny kivarobarotra harena an-kibon’ny tany, tany, fiaramanidin’ny filoha teo aloha,… dia toa somary sarotsarotra io izao. Ilay resaka famarotana aloha heverina fa efa misy misoko ihany any, raha jerena amin’ity hamboletra hanototra tany sy tanimbary ity. Mila miomana ihany koa Ramalagasy amin’ny hetra hakarina io satria tsy afa-miasa Rafanja raha tsy misy ny sôsy e! Ny hirariana dia mba hisy tamberin’andraikitra sy tamberim-bidy araka ny tokony ho izy amin’ny vahoaka, indrindra ireo manefa azy. Sao sanatria mantsy ka ho tahaka ny vy tany Soalala hoe: ny antsasaky ny volabe azo no hanaovana fanambarana, fa ny antsasany toa lanin’ny mamba! Sa kosa efa nivokona ny tànana zatra mitsotra?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT