Edito

Revin-gadra


  • Alarobia 09 Mey 2012

Mampangetaheta ny efa tena maha matihanina ireo firenen-dehibe amin’ny fampiharana ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra.

 Nahery vaika ny fifanandrinana teo amin’i Nicolas Sarkozy sy François Hollande nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena frantsay ary tena samy namoaka teny mahery ny roa tonta. Azo atao hoe nihanjahanja mihitsy ny tsy fahombiazan’ny fitondrana, nanaovan’ny kandidan’ny antoko sosialista azy. Nahazo ny anjarany ihany koa ingahy Hollande ary nambaran’ny avy ao amin’ny UMP fa tsy manana traikefa mihitsy amin’izany fitantanana firenena izany satria tsy mbola minisitra hatramin’izay niainany, tsy nanana toerana ambony tamin’ny fitantanana fanjakana fa dia Ben’ny tanàna sy solombavambahoaka no mba vitany.

Tsy hahavita ny hiaro ny tombontsoan’i Frantsa manoloana ny fifaninanana henjana eo amin’ny resaka fanatontoloana ny olona tahaka izany, hoy i Nicolas Sarkozy, tamin’ny esoeson-teny efa fanaony. Vita anefa ny fifidianana, niteny ny vahoaka Frantsay ary dia i François Hollande no niantefan’ny safidin’izy ireo. Tsy misy adihevitra io, tsy ilana fampitahana ny fitanana an-tsoratra na mbola hotaritaritina eny amin’ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny filankevi-panjakana, fa rehefa izay no vokatra dia izay no izy. Nanaiky ny fahareseny ny filoha am-perinasa Nicolas Sarkozy ary niarahaba sy nirary soa an’i François Hollande mba hahavita be ho an’i Frantsa.

Tsy nisy resabe ihany koa tamin’ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany fa dia samy nanaiky io voka-pifidianana io, any amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny volana jona 2012 indray manarina raha mbola sahy. Rahoviana vao mba ho tahaka izany ny eto amintsika ? Azo eritreretina ihany ve hoe voka-pifidianana tsy hifandroritana izany ? Mety efa mba hisy amin’izay ve ny fifandimbiasam-pahafena ao anatin’ny fitoniana sy ny firahalahiana ka hifandray tanana sy hifampirary soa ny filoha vaovao sy ny teo aloha ? Nahoana moa no tsy mahavita mifanaraka sy mifanaja mihitsy ny mpanao politika malagasy fa tsy maintsy mifandramatra foana ? Io fifampifanajan’ny mpanao politika io anefa no tena fototra iorenan’ny fitoniana ao amina firenena iray. Izy ireo mantsy no modely ho an’ny fiarahamonina ka rehefa manao ny tsy mety ny any ambony dia manaraka ho azy ny aty ambany.

Ny mpanao politika ihany koa no afaka mitarika olona, dia samy milaza avy eo fa manana vahoaka. Raha mifampitarika amin’ny tsara moa, dia tsy maninona, saingy ny olana eto amintsika dia fandrodanana sy fanapotehana no tena manavanana ny mpanao politika, ny olona rahateo moa efa zatra an’io dia miandry vanim-potoana fotsiny, rehefa taomina tonga dia mandeha. Mila mandini-tena ny mpitondra, ny mpanohitra ny ao anatiny sy ny eny ivelan’ny fitondrana, ireo mbola te ho eo amin’ny fitondrana, ny mpanao politika rehetra tsy an-kanavaka, fa tsy tafavoaka ity firenena ity raha mbola mifampiaro na mifanenjika noho ny fiarovana tombontsoa izy ireo. Ny vazaha anie mahay mody miady e ! Isika no mety manaiky hampifandrafiany. Asa…mba mety ho tanteraka ihany angamba indray andro any ny nofinofy revin-gadran’i Mamy Basta ka hiaraka hanao kilalaka ingahy Rajoelina sy Ravalomanana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT