Dia efa manao izay saim-patany sy hitsin’ny sainy sisa ny fanjakana Rajaonarimampianina satria mihevi-tena ho mafy sy matanjakana, ka tsy hisy hahaozongozona azy eo amin’ny sezany intsony,
ary mbola manantena aza fa ho tafajanona mora foana eo amin’ny seza aorian’ny 2018. Mandeha ny revin-gadra sy ny fandanilaniam-bolam-bahoaka fahatany, raha tsy hilaza afa tsy ilay resaka fivorian’ny governemanta mitety faritra notanterahina tany Toliara omaly, izay fanintelony taorian’ny tany Toamasina sy Antsiranana. Volabe no lany tamin’izany, saingy toa tsy afa-manoatra ny rehetra fa dia mitazam-potsiny ny hagegen’ny mpitondra e ! Mbola vaovao hafa ihany koa ny fampidiran-trosa be 51 tapitrisa dolara nindramina tamin’ny Banky Alema, ka 7 taona no voalaza hamerenana azy, saingy mbola miaina finaritra sy migalabona amin’ny sezany ihany aloha ny mpamotika tanindrazana ary tsy misaina kely akory ny fampibabeana trosa hataony fa dia ny hihinana ihany, hihinana hatrany. Ny Malagasy ve no efa kely hoza-pe, ka raha resaka dia tena henjana fa raha hery hoenti-miady amin’ny fanjakana mpanao revin-gadra tsy misy intsony, ka aleo miaritra sy manaiky ho hatao tsindry hazo lena lava eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.