Edito

Resy ny valalabemandry


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Roa herinandro latsaka kely izay no nihatra teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana.

 

Misy ny fepetra lehibe mihantra amin’ny tanàn-dehibe sasany tahaka ny eto Antananarivo. Tsy afa-mivoaka ny trano ny olona, mikatso ny asa aman-draharaha maro, misy ny zary lasa mitsoaka ny renivohitra mitady vonjy satria eo ny tahotra noho ny fiakaran’ny antontan’isa ho an’ireo voa fa eo ny tsy misy harapaka intsony. Misy ny sokajin’olona nambaran’ny fanjakana fa hotolorana fanampiana ara-tsosialy, ary ny filoham-pirenena mihitsy no miditra an-tsehatra amin’ny fandaminana na koa ny fitsinjarana. Toa mikorontana tanteraka anefa ny fisitrahana izany. Tsy ampahan’olona na vondron’olona manokana no voa sy lasibatra fa ny rehetra. Tsy tokantrano an’aliny vitsy, fa saika ny olona manontolo, ny sehatr’asa rehetra no mikatso eto Antananarivo. Na eo aza aza ny hoe an-jatony miliara ariary mahery ny sandan’ny tsy fandroahana mpiasa ataon’ny orinasa tsy miankina, izay hetra tsy hala alaina amin’izy ireo. Maro anefa ny orinasa re fa efa hiroso amin’ny fampiatoana ara-teknika. Ny 80% amin’ny mponina eto an-tanan-dehibe, dia saika mpanofa trano avokoa, ka aiza no hahita vola amin’ity fikatsoana ity? Maro ny vesatra ho an’ny isan-tokantrano, ary tena satria saika ny hoanina androany tadiavina androany no iveloman’ny ankamaroan’ny olona. Saika miaina sy mivelona amin’ny sehatra tsy ara-dalàna, ary ny filoham-pirenena aza vaky vava amin’io hoe: tokony hisy ny fanisana sy ny antontan’isa mazava sy ny fampidirana amin’ny sehatra ara-dalàna. Asa izay ho fanapahan-kevitra amin’ny faramparan’ity herinandro ity. Raha mijery ny antontan’isan’ireo tratran’ny areti-mandringana, dia hitombo ny fepetra. Raha mijery ny maha-olona, dia ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy, ka atao ahoana ireo mponina efa noana sy ketraka? Sady resin’ny fahantrana sy fahasahiranana ny Malagasy no tadiavin’ny areti-mandoza tsy mifidy hasiana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT