Edito

Resy indray !


  • Zoma 16 Jolay 2010


Hafahafa ihany ny fahitana ny fihetsika sy ny fomba fisainan’ny mpanao politika sasany izay manova araka ny tombontsoany ny vaovao sy ny hevitra mifamezivezy eto amin’ny firenena ao anatin’izao krizy izao. Hiverenana kely eto ny lahatenin’ny masoivoho Frantsay teny Ivandry tamin’ny 14 jolay. Raha fintinina ilay izy dia manakiana ny ankolafy telo amin’ny fifikirana amin’ny satan’i Maputo fa mandrisika kosa ny fanelanelanan’ny fiarahamonim-pirenena. Mitaky ihany koa ny hanajana ny zon’olombelona ary manamafy fa vahaolana tsy maintsy eken’ny rehetra eto an-toerana sy ny sehatra iraisam-pirenena no hamahana ny krizy. Dia hanao tohivakana ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika ka maro no nilaza fa mampalahelo sy mahamenatra raha ny vahiny indray no mahita ny tsy mety sy handroso vahaolana ho antsika. Ao koa ireo nilaza fa hafatra sy fanamarihana mila raisina ireny nambaran’ny masoivoho frantsay ireny.

Nilaza indray moa, taorian’iny 14 jolay iny, ny ministry ny raharahambahinin’ny FAT, ny vice-amiral Hippolyte Ramaroson fa tsy maninona ny fahatongavan’i Joaquim Chissano eto amintsika mba hijery marina ny zava-misy sy hifanakalo hevitra, na dia ny mifanohitra tamin’izany tanteraka aza no nambaran’ny FAT andro vitsivitsy lasa izay. Sahiran-tsaina ihany ny valalabemandry hoe : inona ihany ary no tena marina ? Dia sanatria ve efa sinema indray ireny teny Ivandry ireny, efa iaraha-mahalala ihany mantsy ny fanohanan’ny Frantsay an’i Andry Rajoelina sy ny FAT, koa nahoana no mody manakiana ity farany indray ny masoivoho frantsay ary mangataka ny hanafoanana ny FIS, izay nambarany fa tsy manaja ny zon’olombelona. Izay ve i Jean-Marc Châtaigner vao nahatsapa fa manjaka eto ny fitondrana tsy refesi-mandidy sy mpandika lalàna ? Toa misy zavatra manjavozavo izany amin’ny tian’ny Frantsay hahatongavana, milaza ho mitovy hevitra amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy, kanefa sady manohana an-kolaka ihany ny mpanongam-panjakana, sa izay ve ilay “la politique du double language (manao roa lela)” mampalaza ny diplaomasia Frantsay, ary mahafanina ny Afrikanina efa ho taonjato iray sy tapany izao. Ireto farany koa moa tsy dia miasa saina firy fa mankato an-tsakany sy an-davany ny toromarika rehetra avy any amin’ny reny malala.

Mitohy ny sangodim-panina, ary mety mitombina ihany ny fihevitry ny olona sasany hoe : tsy ho afa-bela eo ambany ziogan’i Frantsa mihitsy i Madagasikara satria mbola maro be ireo taranaky ny mpanjanaka, sy mitovy hevitra aminy ary miara-miasa aminy amin’ny fiarovana ny tombontsoany eto. Ahitana azy ireo avokoa ny sehatra rehetra, sy ny firehana politika rehetra, ka tsy tokony hahagaga raha miha mafy orina hatrany ny fahefan’ny Frantsay eto. Efa niongana sy lasa any an-tsesitany rahateo, ilay iraika lahy teo aloha, hany sahy nijoro hanohitra ny mpanjanaka. Atao ahoana tokoa moa fa trano vato niorina teo ambony fasika no nipetrahany ka mora naongana sy nalentika. Ka raha izany no izy, hoy rabevazivazy, dia tsy aleo ve ambara mazava ny tena marina dia atsangana ny saina fotsy satria resy indray isika ka dia hiverina any amin’ny 1896 ny tantara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT