Edito

Resin’ny maizina


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Resin’ny maizina ara-bakitena aloha izany hatreto ny firenena manontolo. Raha tombanana ho ny 15%n’ireo mponina eto amin’ity firenena no heverina ho misitraka ny jiro sy rano avy amin’ny orinasa JIRAMA

dia mampametra-panontaniana hoe mbola mitombona hatramin’izao ve izany? Tsy vao ny ivon-toerana fitsinjarana izay angovo izay tao Marolambo ihany no efa nisy nandoro hatramin’izay nisian’ity olana amin’ny resaka delestazy ity ary na ireo nambara ho may noho ny olana ara-tekinika toy ny tao Andekaleka aza zary niteraka ahiahy tamin’ny olompirenena manara-baovao mihitsy taty aoriana hoe tena may tsy niniana tokoa ve? Ireo nambara ho nodoran’ny mponina koa aza miteraka ahiahy ho an’olompirenena sasany toy izany. Zary lasa petrakevitry ny maro rehefa misy fahatapahana herinaratra anaty andro ratsy ankehitriny ny hoe manararaotra ny andro ratsy hanaovana delestazy indray ny JIRAMA. Fa angaha moa tsy efa fantatra indray ny olana fototra? Tsy efa fantatra koa ve ilay vahaolana? Tsy fony mbola teo amin’ny toerana naha tale jeneraly misahana ny angovo sy akoran’afo azy ve moa ny minisitra miandraikitra izany ankehitriny no efa nitanisa fa kely sisa? Tsy tamin’ireny fotoana ireny ve dia efa naverimberina matetika ny hoe ho avy ny fikirakirana ireo angovo azo avaoziny toy ny azo avy amin’ny rivotra sy herin’ny masoandro? Toy izany koa ny hoe zotrana herinaratra ahafahana mamatsy izany amina vaika ambony dia ambony? Nampanantenaina tamin’ny 3 taona lasa fa hihoatra lavitra ilay 417 megawatt nananana tamin’izany no tanjakana herinaratra azo hamatsiana ny nosy manontolo. Mipetraka anefa ny fanontaniana ankehitriny mbola ampy an’io fatra voalaza teo io ihany ve aza no ao? Efa saika samy nanonontonona ireo tomponandraikitra tokony halana amin’ny toerany ao daholo moa na olon-tsotra na depiote na mpanao politika na tomponandraiki-pitondrana hafa saingy ny fanontaniana goavana tiana hapetraka mialoha izany aloha dia hoe efa hita ary ho eken’izao fitondrana izao hipetraka eo ve ilay tena vonona handresy ny haizina eto amin’ity firenena ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT