Andrasana amin’ity herinandro vaovao ity ny mety ho fitsanganan’ny parlemantan’ny tetezamita, araka ny fifanarahana politka teny Ivato ary neken’ny fihaonambem-pirenena. Mizara roa mazava moa izy ity dia ny Kaongresin’ny tetezamita ahitana ireo depiote sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, misy ireo loholona. Raha ny efa tapaka hatreto aloha dia 256 no isan’ny depioten’ny tetezamita hiasa eny Tsimbazaza, ary 90 kosa ireo loholona hitoetra etsy Anosikely. Efa nifanaraka moa ny ESCOPOL sy ny UDR fa dia omena toerana ao anatin’izany ireo antoko sy mpanao politika rehetra nanasonia ilay fifanarahana politika teny Ivato sy nandefa solontena teny amin’ny fihaonambem-pirenena.
Esorina kosa ireo mpikambana FAT amin’izao fotoana, izay voaporofo fa tsy nanao ny asany araka ny tokony ho izy, mety misy ihany anefa no hotazonina amin’ny toerany, ka izy ireo no ampiana isa kely avy amin’ny firehana politika hafa dia handrafitra indray ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Araka ny fantatra moa dia mbola miandry izay ho fanapahan-kevitry ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina, ny fananganana ireo andrim-panjakana roa ireo, satria izy no hanao izany amin’ny alalan’ny didy hitsivolana. Mandra-piandry izany rehetra izany anefa dia eo am-pandrafetana ireo rijan-teny maro samihafa ilaina ny eo amin’ny Escopol. Tsy maintsy misy mantsy ny lalàna apetraka mazava momba ny fananganana ny Parlemanta fa tsy hoe atsangana fotsiny dia vita ny resaka.
Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Escopol dia efa vita ny rijan-teny momba ny fananganana ny kaongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, saingy mbola eo am-piketrehana ny rijan-teny momba ny lalàna ifampifehezana ao anatin’izany kosa ry zaero amin’izao fotoana. Efa miantona ary tsy manan-kery tokoa mantsy ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo izay namaritra ny andraikitry ny parlemanta sy ny fomba fiasany, koa tsy maintsy misy ny karazana lalàna vonjimaika hampandehanana io rafitra io mandritra izao tetezamita izao, mba tsy hisian’ny gaboraraka. Ny mampanahy fotsiny dia ny hoe : tena ho hitsangana marina ve ary ho marin-toerana ity Parlemanta ity, sa hiova endrika indray afaka herinandro vitsivitsy rehefa vita ilay fihaonambe mety ho karakarain’ny CNOSC ? Hita ihany koa fa maro amin’ireo antoko politka no maika sy dodona fotsiny hahazo toerana, ka mety hafotaka noho izany ny ady varotra sy ny fitakiana tombontsoa ao anatin’ilay Parlemanta. Fa ny tena manahirana ny saina dia ilay hoe : ireo antoko mitovitovy fomba fijery amin’i Andry Rajoelina sy ny governemanta no ho maro an’isa ao amin’ny Parlemanta raha ny zava-misy amin’izao fotoana no jerena ka dia resaky ny mpianakavy fotsiny no mety hitranga fa tsy tena hisy ny fanaraha-maso hentitra ny fomba fiasan’ny fahefana mpanatanteraka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.