marenina ny raharaham-pirenena.
Moana ny vahoaka rehefa tsy misy mihaino. Difotra ao anaty fahantrana lalina, ka toa manaraka ny onjany sy misotro ny rano tsy tiana. Ny mpitondra marenina tsy te handre, tsy te hahalala, tsy te hanitsy ny fahadisoana, tsy misy fiverenana amin’ny rariny,... Ny olom-boafidy sy olom-boatendry mifanjinja. Ny Fanjakana tan-dalàna, izay tokony ho fototra iorenan’ny demokrasia tsy misy na tandindomin-doza hitsahina any am-paladia, fa ny tombotsoa politika no mibaiko fa tsy ny lalàna. Ny rafitra samihafa lalaovina amina tombotsoa politika, ny fitsarana betsaka ny ahiahy mikasika tsindry sy baiko,… Mahay miresaka lalàna ny mpomba ny fitondrana, rehefa ny tombontsoany manokana no araovany. Manao adim-borontsiloza sy manome lesona amin’ny firesahana ny lalàna sy fitantanan-draharaham-panjakana, rehefa miaro ny tombotsoa politikany, fa jamba sy minia marenina, rehefa misy mahakasika ny zoron-dambany na hita izao aza fa araka ny lalàna, rariny, hitsiny,... Ohatra mivaingana amin’izany ny toe-draharaha ao amin’ny distrikan’Arivonimamo izay anaovana ady an-karimbona ny depiote iray rehefa manatsikafona ny heveriny fa tsy mety sy tsy rariny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ataon’ny olom-boatendry. Mipoitra mamely izay voany ny Etamazaoro politikan’ny mpitondra mitanisa lalàna, fitantanan-draharaha,… Any Mahajanga II, tranga hafa indray, misy olom-panjakana tsy mampihatra didim-pitsarana mitory faharesena ho an’ny volomboasary. Tsy misy miteny ! Tsy misy manitsy ! Tsy misy miantso fanajana ny lalàna sy ny fitsarana. Ny demokrasia zary anaran-tsy very. Fa ny tena heviny? Efa voahosihosy. Ny fahefana, ny zo fototra, ny safidim-bahoaka, ireo no tokony ho vato fehizoron’ny rafitra. Fa ankehitriny, ny vola no ampitenenina. Ny safidy dia voavidy. Ny feo dia voakombona. Ary ny fahamarinana? Efa takon’ny kolikoly, kiantranoantrano, tsy maty manota,… Raha ireo tsy fanjariana natao litania teto 15 taona lasa, raha ny fampanantenana fanovana sy revolisionina notanisaina tamin’izany, raha ny fitsingolohana ireo lazaina fa famadihan-tanindrazana goavana na « haute trahison » notanisaina tamin’izany,… dia tsy tokoyny ho tahaka izao ny fandrosoan’i Madagasikara amin’ny lafiny maro : toekarena, sosialy, fanjakana tan-dalàna,… saingy indrisy fa lainga sy fitaka ary sarintsarina revolisionina no namitahana ny Malagasy, ary mitohy hatramin’izao ! Mila fanovana sy fiovana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.