Edito

Resaka tsy an-kiera


  • Alatsinainy 07 Septambra 2015

Niverina an-tanindrazana omaly ny delegasiona notarihin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy avy niatrika fivoriana iraisam-pirenena tany amin’ny Firenena Mikambana, niresahana indrindra ny mikasika ny fandriampahalemana


 

. Nifarana omaly koa ny dian’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean nanao fitsidihana ofisialy tany Frantsa. Voaresaka manokana nandritra ny diany tany ny fandriampahalemana, ka nangatahany fanampiana tamin-dry zareo Frantsay. Eto an-toerana mandritra izany rehetra izany dia mahazo vahana ny vonomoka ataon’ny mpampandry tany ny olona any ambanivohitra any. Tsy misy ankanavaka fa dia mifangaro ao ny dahalo sy ny olona iharan’ny tondromolotra. Izay ve ny iraka nampanaovina azy ireo sa manao zavatra tsy an-kiera fotsiny, fa dia betsaka no mikaikaika ny vahoaka any ambanivolo ary misy vaky nandositra aty an-drenivohitra aza ny sasany, matahotra sao voatondro molotra ka horobaina fananana.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT