Edito

Resaka toe-tsaina io e !


  • Alarobia 27 Jolay 2016

Efa fantatry ny fanjakana fa tsy hisy hetsi-bahoaka mitarika any amin’ny fionganana ka tsy mahataitra azy ireo ny fitakiana isan-karazany.

Tsy mieritreritra ny hanao fitakiana ny olona fa aleony miaritra ny mafy sy miatrika ny fiainany samirery satria iaraha-mahalala fa tsy hisy fanjakana hihaino azy. Tsy te hihevitra ny raharaham-pirenena intsony ny vahoaka noho ny fahadisoam-panantenana lava vokatry ny fitaka ataon’ny mpitondra. Izany no zava-misy eto amin’ny firenena. Manaporofo izany ny taham-pahavitrihana ambany dia ambany rehefa misy ny fifidianana . Vao mainka anefa hilentika ny firenena raha mbola izay ny zava-misy satria ny vaton’ny tsirairay no hamaritra ny ho avin’ny firenena. Toy ny any Pérou (Amerika latina), ohatra, dia tsy maintsy mifidy ny olona mba hialana amin’ny fifanomezan-tsiny. Tsy ny rafitra ihany, araka izany, no vahaolana amin’izao loza manjo ny firenena izao fa ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena tsirairay. Tokony handray anjara mavitrika ihany koa ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fampianarana ny vahoaka mba handray an-tanana ny hoaviny amin’ny alalan’ny fifidianana. Adidy goavana ny fampianarana ny Malagasy hahay haneho hevitra fa tsy hanaiky hovidian’ny mpanao politika intsony. Ilaina ihany koa ny fametrahana lalàmpanorenana mety amin’ny firenena fa tsy izay tian’ny mpitondra apetraka. Ankoatr’izay lalampanorenana sy lalàna mifanaraka amin’ny zava-misy ny fomba fiaina eto no mila apetraka fa tsy manao kopi kolé amin’ny an’ny vahiny fotsiny na maika hiaro seza fotsiny e !

                                                                                              Toky  R.

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT