Edito

Resaka toe-tsaina io !


  • Zoma 20 Mey 2016

Mahalasa saina indraindray ny zava-misy eto Madagasikara. Tsy tahotra tsy henatra fa manararao-pahefana sy mangoron-karena ny manampahefana.


 An-kilan’izay, mimenomenona fotsiny ny rehetra ambiny. Ny fanakianana re amin’ny onjam-peo sy hita amin’ny fahitalavitra, ny any anaty gazety isan’andro, ny resaka ataon’ny olona etsy sy eroa dia tsy misy herinandro akory dia hisy hetsi-bahoaka goavambe ka hirodana ny fitondrana. Tsy izay anefa no miseho fa na hetsika sendikaly aza tsy mahasarik’olona, tsy toy ny any amin’ny firenena hafa rehetra. Mety noho izy soavalian’ny mpanao politika ve ? Tsy afa-misaraka amin’ny raharaham-pirenena anefa ny politika. Fahadisoan-kevitra goavana ny filazana fa leo politika ny olona ka tsy mivaky loha amin’io intsony. Ireo antoko politika sy mpanao politika no tokony hanova ny fomba fiasa fa tsy tia tena sy miandry hahazo fahefana fotsiny, avy eo mamerina ny hadisoan’ny teo aloha ihany ny ankamaroany. Misy revolisionina goavana tsy maintsy atao eto Madagasikara vao afaka manantena fiovana ho amin’ny fiainana tsara kokoa ny Malagasy, dia ny fiovan’ny toe-tsaina sy ny fomba fijery. Raha tsy vita io dia zava-poana avokoa izay hetsika na tolona atao eto satria ny tonta ihany no mivadibadika sy mody miova anarana.

 

 

 

 

 

 

 

                                                                      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT