Araka ny efa nahafantarana azy amin'ny fihetsiketsehana ety ivelany dia nanao kabary tsara lahatra tany Morombe indray i Andry Rajoelina omaly, fa atsy ho atsy dia tsy hanafatra vary intsony i Madagasikara fa mba hanondrana indray.
Amin’ity tsy fandriampahalemana tsy voafehy ka mampitsoaka matanjaka ny tantsaha miala any ambanivohitra ity ve no hahatongavana amin’izany sa dia mihevitra ny Malagasy ho bado mihitsy i Andry Rajoelina ? Mampanontany tena ihany koa ny tena fahaizan'ireo mpanolotsaina azy ao an-dapa ao. Ny tsy fandriampahalemana izao no manahiran-tsaina ny olona, nefa fanondranam-bary indray no resahana ! Tsara ilay tanjona saingy tsy mifanaraka amin'ny vanim-potoana iainan'ny firenena ilay kabary. Ekena fa tany lonaka ary mamokatra tsara iny Bas-Mangoky iny. Na izany aza, mila lanjalanjaina ihany izay teny hambara, fa sao lasan-ko vavany tahaka ilay tsena mora fotsiny avy eo.
Asa raha mba tonga saina tsara amin'ny zava-misy eto Madagasikara amin'izao fotoana i Andry Rajoelina na ahoana fa toa mbola variana amin'ny zavatra hafa, kanefa efa misoko mangina ny mpanani-bohitra. Izy tenany aza efa niaiky fa tsy asan-dahalo tahaka ny nahazatra hatramin'izay io any atsimo io, fa misy ambadika politika sy toekarena. Fantany tsara fa ho zava-poana ireo hopitaly sy kianja manara-penitra mahadodona azy ireo raha sanatria raikitra eto ny ady an-trano. Tsy mahataitra azy ve izany satria volan'ny tsara sitrapo no nanaovana an'ireo ? Hatramin'izay, raha tsy feno fihantsiana sy eson-teny ho an'ireo mpifanandrina aminy, dia mampanonofy izay mihaino azy, ny kabarin'i Andry Rajoelina, ary tena tsy mbola niova fa dia izay foana ny tetiny. “Ny teny no tsy atao be, ny hamerenana azy no sarotra". Raha resaka Bas-Mangoky izany, efa tamin’ny fitondran-dRavalomanana no nilamina, fa noho ny fanonganam-panjakana niseho teto no nampikatso tampoka azy tao, ka tsy tokony hanaovana resabe e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.