Edito

Resak’ankolafy io e !


  • Alakamisy 19 Aogositra 2010


Na tiana na tsy tiana dia mbola resaka ankolafy ihany no manjaka amin’izao fotoana ary miseho amin’ny endriny hafa indray fa tsy tahaka ny teo aloha ny ady varotra politika sy ny ady seza. Namorona «mouvance» iray vaovao mantsy ireo mpanao politika ka manomboka manana ny toerany eo amin’ny famahana ny krizy sy tsy azo ialana amin’ny mety ho fizarana ny seza ato ao anatin’ilay tetezamita Bis. Revirevy ahitana «bizina» hanefan’ny mpanao politika sasany ny trosany fotsiny anefa no niantombohany teny am-pisotroana kafe sy tena antony nifamorivoriana tetsy sy teroa. Ary maro tamin’ny mpikambana tao anatin’ity ankolafy vaovao ity sahady no nilaza fa tokony hatao maromaro ny seza ao amin’ny CST sy ny kongresin’ny tetezamita, mba hahafahan’ireo nanasonia ilay fifanarahana politika mandray anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita, hono.

 Efa maro ihany koa no manitrikitrika fa tokony hampitomboina fa tsy mijanona tahaka ny amin’izao fotoana ny isan’ny ministra. Ao anatin’izany rehetra izany dia mivoaka ny resaka, ary maro ny tombana iadian-kevitra etsy sy eroa. Fa anisan’ny misongadina amin’ireny ny hoe : mijanona ho praiministra ihany i Camille Vital, hotendrena filohan’ny CST i Lahiniriko Jean, ary apetraka ho filohan’ny kongresin’ny tetezamita Raharinaivo Andrianatoandro, ho mari-pankasitrahana azy tamin’ny famadihana palitao mihaja nataony. Dia efa misy sahady koa ny zanaka «mouvance» niforona ka manandratra olona iray, izay efa nitana andraikaitra ambony nandritra ny tetezamita. Ny Ankolafy Telo etsy andaniny dia tsy manaiky hatramin’ny farany fa dia Maputo ihany no vahaolana. Fa hatreto kosa aloha dia tsy dia naharenesam-peo firy ny ankolafy avy eo anivon’ny foloalindahy fa nangina sy nandinika ny zava-misy fotsiny. Efa be rahateo ny fahadisoam-panantenan’ny olona amin’ilay tandroka aron’ny vozona koa mety efa manaja tena angamba ry zareo. Fa efa mba manana ny ankolafiny ihany koa ny firaisamonim-pirenena ary milaza fa vonona ny hampihaona sy hanelanelana iretsy ankolafy tsy mety mahita ny marimaritra iraisana iretsy.

Tena resaka ankolafy no misy amin’izao fotoana, ary tsy hivaha mihitsy ny krizy raha toa ka mbola samy miaro ny tombontsoany ireo ankolafy ireo, satria tokana ny firenena fa tsy azo zaraina ho ankolafy izatsy sy izaroa. Ka ny fisian’ny fanehoan-kevitra maro be mifanapika io no mbola manahirana amin’ny famahana ny krizy ary manomboka mampiraviravy tanana ny vahoaka, leon’ny sangodim-panina politika sy ny ady varotr’ireo ankolafy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT