Edito

Resabe tsy nihinanan-kanina !


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Telo volana latsaka herinandro izay no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 8 aprily 2020, fa hisy ny fanisam-bahoaka hametrahana ilay antsoina hoe: “digitalisation”

 

isaky ny fokontany ho an’ireo fokontany amin’ny faritra miisa telo, dia Analamanga, Antsinanana, ary Matsiatra Ambony. Nolazaina, fa hizarana solosaina ny fokontany tsirairay, ary hahazo “carte magnétique” ny olona hirakitra ny mombamomba ny olona, ny fari-piainany,... Ny Banky Iraisam-pirenena no namatsy izany, ka ao anatin’ny folo andro no hanaovana an’io, hoy i Andry Rajoelina. Fokontany maro no nohantonina sy nanamarinana raha efa nahazo solosaina, fa mbola tsy misy an’izany any. Vao ny 14 jona teo ihany koa no nilaza ny filoha fa hisy ny fizarana sakafo maimaimpoana antsoina hoe “kaly tsinjo” na “kaly Mora” ho an` Antananarivo, Toamasina, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary, Betroka, Ampanihy,... ary ao anatin’ny tapa-bolana io raha ela indrindra, dia hatomboka. Dila ny tapa-bolana izay efa manatombo andro vitsy ka asa na efa manomboka na mbola mijanona ho fampanantenana, toy ny solosaina isam-pokontany na ahoana? Tena sahirana ny vahoaka kanefa somary mirona betsaka any amin’ny zavatra avo lenta tsy ahitam-bokatra vetivety sy hahavonjy ny besinimaro ao anatin’ny fahasahiranana ny fitondrana, fa tena tonga any amin’ilay hoe resaka tsy hihinanan-kanina. Matin’ny hanohanana ihany izay ho fatin’ny hanohanana, fa ny an’ny fitondram-panjakana toa zavatra hafa mihitsy no maha maika. Tsy ratsy ireny, saingy mila jerena ihany hoe inona no maika sy hanavotana ny fahasahiranana ara-tsosialy sy ara-toekarena izay potika sy rava? Ny valanaretina tsy voafehy, ka mitombo ny horohoro. Marina fa milaza ny hamerina ny tsena mora sy ny vatsy tsinjo, saingy mifanentana amin’ny filan’ny rehetra ve ireny? Nahoana no tsy aloha ny trosa amin’ny Kaompanian-tsolika dia ampidinina ohatra ny vidin-tsolika? Samy manana ny manahirana azy tokoa angamba e?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT