Edito

Resa-pianakaviana !


  • Zoma 04 Martsa 2011


Araka ny fomban’ny FAT, izay tsy hitan’izy ireo izay mbola naharatsy azy, dia manohy hatrany iny lalana iny izy ireo ary mamerina ny diniky ny mpianakavy tahaka ny efa fanaony. Dia ho hita eo indray ny ho tohiny fa raha ny vinavinan’ny maro aloha dia don-tandroka fotsiny indray iny teny Ivato iny fa tsy hitondra vahaolana maharitra hivoahana amin’ny krizy mihitsy. Tsy niova ny fomba fanao sy ny fomba fisainana fa dia izay mitovy hevitra aminy ihany no tian’ny filohan’ny tetezamita hifampizara seza aminy. Tsy bado daholo anefa ny vahoaka. Maro ireo mahatsikaritra fa efa tena difotry ny fitiavan-tena mihitsy ireo milaza azy ho manampahefana sy ireo misora-tena fa mpanao politika manana ny fanalahidin’ny krizy amin’izao fotoana, ka tsy misalasala manilika tsy am-piheverana ireo ambaran’izy ireo fa dinôzôro sy olo-mody.

Zovy anefa ny tsy mahalala, iza no tsy mahafantatra fa sarotra ny mikaroka vahaolana amin’izao krizy izao raha ailika tsy ho ao anatin’ireo mifampidinika ireo filoha teo aloha telo mirahalahy dia Atoa isany Ratsiraka, Zafy ary Ravalomanana ? Tena fahadisoana goavana ho an’i Andry Rajoelina ny manilika azy telo ireo raha toa ka te hikaroka vahaolana maharitra sy mahomby hivoahana amin’ny krizy marina izy. Tsy tokony hibahan-toerana ny fankahalana sy ny hambom-po diso toerana fa na inona na inona alahelon’i Andry Rajoelina tamin’i Marc Ravalomanana, na Didier Ratsiraka dia tokony ho tonga saina izy fa olo-be eto amin’ny firenena no sady mbola mahazaka vahoaka ireo ka ilaina ny heviny amin’ny famahana ny krizy. Ny tena mampanahy ny maro amin’ity raharaha ity dia sao lahy ka saribakoly fotsiny marina, araka ny siosion-dresaka hatramin’izay ny filohan’ny tetezamita ka tsy mahatapa-kevitra fa miandry baiko sy toromarika.

Efa hatrany Maputo I tokoa mantsy no nandeha ny feo fa misy olona akaiky an’i Andry Rajoelina, efa nitana andraikitra goavana teto Madagasikara mitady ny fomba rehetra tsy hampifanatrehana azy amin’i Marc Ravalomanana, fa sao, hono, manimba ny planina. Mbola io azo ambara fa raiamandreny be eto amin’ny firenena io ihany no nampirisika an’i Andry Rajoelina mba tsy hanaja ny sonia nataony, araka ny tsiliantsofina re ihany, ary mbola izy ihany no namolavola ilay lalàmpanorenana mody namoriana solontenan’ny vahoaka kanefa dia efa hatramin’ny 2009 no vonona tany anaty kitapo tany ho any. Na inona na inona fanapahan-kevitry ny filohan’ny tetezamita dia tsy maintsy hidiran’io zoky be raiamandreny io, araka ny feo mandeha ihany, ary toa hoe efa misy mpanampy azy iray hafa, ihany koa mandamina ny baolina ao an-dapa ao.

Efa tsy vahiny amin’ny fanonganam-panjakana sy ny resaka didy aman-dalàna ary ny fitantanana tetezamita izy io ary fantatra fa tena to teny amin’i Andry Rajoelina. Maro koa ny mieritreritra fa sao dia misy rohim-pihavanana aza izy mirahalahy mianaka ka izay no mahatonga ity fiainam-pirenena lasa resa-pianakaviana sy kiantranoan-trano ity. Dia ho hita eo moa ny ho tohiny satria mety hisy indray ny fanambarana amin’ity faran’ny herinandro ity ka dia hihazakazaka indray ny toe-draharaha politika.

 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT