Edito

Resa-bola


  • Alakamisy 08 Martsa 2012

Raha nisy zavara tena nalaza sy nahoraka tato anatin’izao tetezamita izao, dia ny resaka fitakiana sy fitokonana ary mifototra amin’ny tombontsoa ara-bola daholo izy ireny raha akapoka iray.

 Ekena mihitsy fa misy ny zavatra mila nahitsy amin’ny sata mifehy ireo sehatr’asa isan-karazany, tahaka ny an’ny dokotera sy ny mpampianatra mpikaroka, ary misy ihany koa ny tokony namboarina mahakasika ny an’ny foloalindahy, saingy mitovy ihany izy rehetra ireo satria misy fitakiana, na fampitomboana ny karama, na fanampiana ny tambin-karama, na fanafoanana sy fampihenana ny tataon-ketra alaina amin’ny tambin-karama. Dia isan-karazany mihitsy ny fitokonana sy fitakiana nitranga. Teo ny an’ny mpitsara, ny mpampianatra mpikaroka, ny PARAMED, ny dokotera, ny mpampianatra FRAM, ny mpampianatra mpiasam-panjakana, ary farany teo dia ireo manamboninahitra lefitra. Ity farany ity no hita fa fitakiana haingana indrindra satria nimenomenona nandritra ny roa andro fotsiny ireo manamboninahitra lefitra teny amin’ny CAPSAT Soanierana tonga dia noraisin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.

Hita avy hatrany ny marimaritra iraisana. Nilefitra ny fanjakana. Nanaiky ny fitakian’ireo manamboninahitra lefitra, ary nifanekena fa alefa miandalana ny fandoavana ny vola ary mialoha ny faran’ity taona ity dia tsy misy intsony ny tataon-ketra alaina amin’ny tambin-karaman’ny manamboninahitra lefitra rehetra manerana an’i Madagasikara. Dia toa hoe, nangina, hono, ny firaondraonan’ny baoty teny Soanierana teny, nilamina ihany koa ny tetsy Analakely tao amin’ny RM1. Vola no fototry ny olana, ary dia vola ihany koa no vahaolana. Mialona kely mihitsy ireo sendika hafa, tsy mba nahazo fahafaham-po haingana tahaka ny an’ny foloalindahy. Ny an’ny SECES hatramin’izao tsy milamina, tahaka izany koa ny an’ny mpitsara, izay mbola misy olana hafa indray aza. Ry zareo Paramed moa dia toa reraka angamba ka tsy nanohy ny hetsika intsony. Ny mpampianatra FRAM dia zava-misy isaky ny roa volana, ary tsy mbola nikarohan’ny fanjakana vahaolana haingana.

Dia raikitra indray ny an’ny mpiasan’ny ala, eny Nanisana, izay tsy mbola ahitam-bahaolana ihany koa. Nahoraka be mihitsy nanomboka tamin’ny 2009 fa manam-bola tsy mety ritra, hono, i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, ka izay mangataka dia omena, indrindra fa raha be sandry sy mitazona basy. Nilalao vola ny FAT ka tsy afa-bela amin’io mihitsy, ary dia tazonin’ny olona amin’ny vavany sy ny fomba fanaony. Milamina izany, izao ny an’ny «Sous-off», dia tsy tokony hahagaga raha hasiaka koa ny fomba fitakian’ny sasany, satria toa misy mizana tsindrian’ila ilay izy na dia samy resa-bola ihany, azy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT