Raha ny siosion-dresaka nandeha tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia tena hafana tanteraka ny toe-draharaha politika ato ho ato, satria ho avy ny rodobe karakarain’ny mpanohitra, mety mbola hitohy ny fitokonana eny amin’ny oniversite izay midika avy hatrany fa efa tena taona fotsy no atrehana, ny «Paramédicaux» koa dia efa nampiaka-peo indray satria tsy nisy tanteraka mihitsy ny fitakian’izy ireo fa dia namitaka, hono, ny minisitry ny fahasalamana, efa mamofompofona fitokonana ihany koa any amin’ny tontolon’ny fitsarana any, ary ny ao amin’ny foloalindahy moa dia mbola maro ny fifanoheran-kevitra na eo amin’ny samy manamboninahitra izany na eo amin’ny samy vata miaramila.
Mbola resaka hafa ny mikasika ny solika ; etsy ankilan’izay rehetra izay dia mihodinkodina etsy sy eroa mitady mpanohana any ivelany ny filohan’ny FAT, ary manao izay azo atao rehetra handresena lahatra ny SADC mba hanaiky azy ka tsy hikitika mihitsy ilay sori-dalana. Ho sarotra ihany anefa izany satria nandamoka avokoa ny fihetsiketsehana nataon’ny FAT tany Afrika, ary ny nosy Maorisy sisa no hianteherany. Roa taona sy tapany izay i Andry Rajoelina no teo amin’ny fitondrana ary nilokaloka fa hitondra fanovana eto, fanovana mankany amin’ny ratsy kokoa anefa no hita sy tsapa, ary nitombo ny mahantra sy very asa. Ny vola efa ho iray miliara dolara no navelan’ny fitondrana Ravalomanana tao amin’ny Banky Foibe no niainan’ny FAT hatramin’izay, miampy ireo ambara fa azo avy any amin’ny malala-tanana. Tsy mihodina araka ny tokony ho izy ny toekarena, ary maro ireo fanakianana avy any ivelany mahazo izao fitondrana izao, ny sazy moa dia tsy lazaina intsony, ohatra iray amin’ireny ny mahazo ny Air Madagascar.
Araka ny ritsoka re dia tsy niandany tamin’i Andry Rajoelina velively ny SADC na ny sehatra iraisam-pirenena fa kosa nanome fe-potoana azy mba hanaporofoany fa mahavita azy izy sy ny ekipany ary mahavaha ny krizy ka tsy mila ireo filoha teo aloha intsony. Efa dila anefa io fe-potoana io kanefa tsy hita izay zava-bitan’ny fitondrana tetezamita, ary ny tena marina aza dia ny fieboeboan’ny mpitondra mihitsy no mampikatso ny zava-drehetra. Maro no mahita fa toa mbola mieritreritra ny tenany ho mpifanandrina amin’i Marc Ravalomanana foana ny filohan’ny FAT fa tsy mahatsapa mihitsy fa efa mitantana firenena anie izy e ! Toa mitombina ihany ny filazan’ny mpanabe iray izay nampianatra an’i Andry Rajoelina tamin’ny fahatanorany fa dia mafy loha sy tsy mahay manaja ray aman-dreny ary mipoerapoera araka ny filazan’ny any avaratra azy ity milaza azy fa filoham-pirenena ity.
Efa ao anaty sambo daholo ny ekipazy kanefa toa tsy mbola miraondraona akory ny motera, fa nahoana ary ? Tsy mahafantatra ny lalan-kizorana ve ny mpanamory sa miahotra ny hanainga sao dia lasa Titanic ity sambo ben’ny akamakama ity ka ho rendrika sy ho potipotika ao aloha kely ao. Ny eny amin’ny Magro aloha dia mamerimberina fa ho tsipaka am-bava-fo ho an’i Andry Rajoelina ny fehin-kevitra ho avoakan’ny SADC amin’ny 20 mey izao ary tena hiverina “Zéro” avokoa ny zava-drehetra fa tena vita hatreo ny kilalaon-jaza !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.