Edito

Rendrika eo an-tseranana


  • Talata 05 Aprily 2011


Ao anatin’ny fiandrasana indray aloha ny rehetra amin’izao fotoana raha ny politika no resahana. Taorian’ny toromarika avy amin’ny Troika tany Zambia farany teo mantsy dia tapaka fa hisy ny fivoriana tsy ara-potoan’ireo filoham-panjakana 14 ao anatin’ny SADC. Mandritra izany no hamoahana fanapahan-kevitra momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Niezaka ny nanao famindram-pahefana sy nisafidy ireo minisitra fa dia mijanona amin’izay aloha ny zava-drehetra, satria mbola miandriandry ny mety ho fanapahan-kevitra manaraka. Ny momba ny fanendrena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny CST sy CT ary ny CENI kosa dia voalaza fa mbola miandry ihany koa, na dia efa vita any aza ny lisitra, araka ny tsiliantsofina re. Henjankenjana ny famandrihan-toerana sy ny ady seza mialoha ny nandrafetana io lisitra io, ary azo antoka fa tsy maintsy hisy indray ny tsy ho faly satria tsy tafiditra ao daholo araka ny noeritreretina ireo antoko sy fikambanana ary vondrona politika.

Tsy tokony hahagaga na hahataitra ihany anefa izany satria misy amin’ireo antoko ireo no tsy manana mpikambana sy sata mifehy azy mazava akory fa dia noforonina tampotampoka teny fa hoe ho avy, hono, ny fizarana seza. Tsy mbola mivaha ihany koa ny sazy ho an’i Madagasikara, mbola mikatona ny «robinet», tsy misy ny famatsiam-bola avy any ivelany, miha manify ny ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Izany rehetra izany no mitranga dia satria tsy mbola ankatoavin’izao tontolo izao ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina, saingy minia mikipy sy manao be marenina amin’ny antso avy etsy sy eroa ka hanatanterahana ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filohan’ankolafy ny manampahefana eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana, ary manitrikitrika fa vitan’izy ireo ny mampandeha ny firenena.

Fa inona ary no andrasana vao tena ho tonga saina Atoa Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy ? Hiandry gidragidra sy an-kitifitra tahaka ny any Cote d’Ivoire ve, sa hiandry rotaka sy fandoroana tranom-panjakana tahaka ny tany Tonizia sy Ejipta, sa hiandry ny vahoaka rehetra ho matin’ny hanoanana sy ny tsy fananam-bola ? Efa tena mazava ny zava-nisy fa na hihodin-kavia na hihodin-kavanana dia tsy tafavoaka irery ny FAT, na hisy governemanta vaovao isam-bolana aza, ary na atao folo isaky Kaominina aza no hotendrena mpikambana ao amin’ny CT na ny CST dia ny teo ihany no miverina, satria feno olona ao anatin’ny sambo, saingy ny solika mihitsy no tsy ampy hampandehanana azy araka ny tokony ho izy. Ny tena mampanahy aza amin’ny zava-misy ankehitriny dia sao lahy ka feno loatra ny sambo ka ho rendrika eo an-tseranana fa tsy hanainga akory !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT