Edito

Rehefa sahy dia sahy !


  • Talata 19 Mey 2020

Naherihery ny fitenin’ny Filoham-pirenena Malagasy tato ho ato manoloana ny kihana ataona firenena na vondrona firenena.

 

 

Tsy manaiky lembenana eo anatrehan’ny tsindry samihafa. Hatraiza anefa ny ho fetran’ireny? Tena hahasahy hihenjana hatramin’ny farany sa mba mamono lolo sy maka ny fom-bahoaka fotsiny? Toa manangam-bovona hatrany hatrany ny Filoha ary te hampiseho fa manana ny fiandrianany i Madagasikara. Sarotiny amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena. Efa nisy teto Madagasikara ny fitsabahana nataona vahiny, nanaovana tsinontsinona ny fiandrianam-pirenena ka vitan’ny Filoha tamin’izany fotoana ny nandroaka masoivoho Frantsay sy relijiozy iray. Hahavita tahaka izany ve ny Filoha Malagasy ankehitriny eo anatrehan’ny vavaben’ny OMS na koa manoloana ny lonilony amin’ny IPM ohatra? Ho sahy handroaka ny masoivohon’ny OMS eto ve na koa handroaka ny Masoivoho Frantsay eo anatrehan’ny fihetsik’i Lafrantsa tena mihantsy ady sy efa nomelohin’ny Fitondrana Malagasy sy toheriny marin-drano? Mety hanova ny tantara sy hampifoha ny hambopon’ny Malagasy ny tahaka izany ka tena ho sahy ve ny Filoha Andry Rajoelina sa mba te hanao serasera sy maka ny fon’ny Malagasy fotsiny? Mahatonga ny Malagasy hiroharoha saina mantsy ny tantara satria nisy fifamatorana be tamin’ny Frantsay ny Filoha Malagasy, ary mety iankinan’ny fiainam-pianakaviany aza ity firenen-dehibe ity. Tsaroana ny tenin’ny Amiraly Ratsiraka hoe: niangavian’ny Frantsay aho hanampy an’I Andry Rajoelina hanongana an-dRavalomanana. Tena hifamango ve ny zaza nampiana sy nampitaina ka hosokajian’ny namolavola azy ho zana-baratra mitsipa-doha lakana nitàna? Rehefa sahy dia sahy ka ny ho avy no hitsara hoe tena izy ity sa sinema! Na izany na tsy izany, rehefa sahy dia sahy, ary tsy mihemotra raha tsy tratra ny tanjona, toy ny hoe isika tsy maintsy mpandresy tamin’ny fifidianana, ka dia alaho hery ary e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT