Edito

Rehefa izay dia izay !


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Ny filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma no mitarika ny Troika eo anivon’ny SADC amin’izao fotoana, araka ny fifandaminana anatiny eo amin’ity vondrona ity.

Ny Troika moa na tsy fahefana manapa-kevitra aza dia manana anjara toerana sy andraikitra goavana amin’ny asan’ny SADC. I Jacob Zuma manokana dia sady efa nihaona tamin’i Marc Ravalomanana no efa nidinika tamin’i Andry Rajoelina. Mahafantatra tsara ny zava-misy eto Madagasikara ity filoha afrikanina tatsimo ity ary tsy vahiny amin’ny famahana olana aty Afrika. Raha nitafa tamin’ny mpitolona teny amin’ny Magro ny sabotsy lasa teo Atoa Henri Roger Ranaivoson, iraka manokan’i Marc Ravalomanana dia nanamafy fa ny fanapahan-kevitry ny SADC tany Sandton Afrika Atsimo ihany no tena izy fa tsy zavatra hafa, izany hoe mandray anjara feno amin’ny famahana ny krizy ireo filohan’ankolafy mialokaloka any ivelany ary afaka mody eto tsy misy fepetra, tafiditra ao anatin’io i Marc Ravalomanana.

Efa akaiky ny fandresena, hoy i Henri Roger Ranaivoson satria nody ventiny ny rano nantsakaina, koa dia ho avy eto Madagasikara ireo filoha mirahalahy dia hotanterahana ny sonia, ary na ny ankamaroan’ireo antoko nanohitra ny fiverenan’i Dada teo aloha aza izao dia efa niova hevitra ankehitriny ka manaiky ny hidirany eto. Mifanohitra tanteraka amin’io anefa ny ambaran’ireo vondrona politika manohana ny FAT tahaka ny UDR-Fanovana  sy ny antoko TGV izay manamafy fa ilay fanitsiana ny andininy faha-20 nataon’ny Dr Salomao no tena izy ary tsy vahaolana mihitsy izany fiverenan’ingahy Ravalomanana eto izany, ary tokony hirosoana haingana ny fifidianana.

Ho an’ny Raiamandreny Mijoro izay mikarakara fihaonambe hiantsoana ny mpanao politika sy ny herivelona eto amin’ny firenena, anio sy rahampitso dia mbola io fanitsiana nataon’ny Dr Tomaz Salomao manome vahana ny FAT io ihany no fototra iaingan’ny adihevitra. Midika izany fa mbola misy fironana roa lehibe mifanohitra eto na eo amin’ny mpanao politika na eo amin’ireo samy mpanelanelana. Dia vao mainka manamarina sy manaporofo ilay mahazava-dehibe ny tsy maintsy hifampiresahan’ireo filohan’Ankolafy roa dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izany, satria avy amin’izy ireo no nahatonga io fivakisana io, manampy fotsiny avy eo ireo ankolafy hafa. Koa raha te hamaha ny krizy marina ny FAT dia tsy tokony hitsivalana amin’ny fiverenan’iy filoha teo aloha ity eto, ary tsy maintsy mampitsahatra ny fiavonavonany koa ny filohan’ny FAT ka manetry tena sy manaiky miresaka tamin’ilay naongany. Izay dia izay ihany, tsy misy ny vahaolana hafa fa na miresaka sy mifanaraka na mifanenjika sy mifanasa vangy lava eny ary hiady ny farany. Tsy hampiova ny hevitry ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena ny «ultimatum» nomen’ny FAT fa ny azy ireo dia rehefa izay dia izay e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT