Edito

Rehefa atao, dia atao e !


  • Talata 02 Desambra 2014

Raha vao migadona ny volana desambra dia zary efa fomba amam-panao mahazatra ny meritreritra avy hatrany ny fety amin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ho an’ny Malagasy

Feno olona mifanaretsaka eny amin’ireo tsena maro samihafa hita eto an-drenivohitra, tena mandeha ny tsena ho an’ny mpivarotra sasany, indrindra ireo mpivarotra kilalao satria andron’ny ankizy rahateo moa ny krismasy. Noho izany dia manomboka tsy dia hita tabilao intsony ny raharaha politika, na dia misy ihany aza ireo fanehoan-kevitra etsy sy eroa. Maro ny olona mihevitra fa tokony hovitaina mialoha ny faran’ny taona ny fampihaonana ireo filoha nifandimby teto mba hikarohana ny ampahany betsaka amin’ny krizy, dia mba efa miampita amin’ny dingana manaraka indray amin’ny taona vaovao. Misy koa anefa ireo mihevitra fa aleo amin’ny herintaona mihitsy vao tohizana ity resaka fampihavanam-pirenena ity fa aleo mifety aloha fa efa tena henjana izay niainana nandritra ny 1 volana tamin’ity taona ity izay. Raha ny tena marina anefa tsy tokony hangataka fotoana lava raha tena te hamaha ny krizy marina fa rehefa hoe atao dia atao. Tsy ilaozan’ny misy politika avo lenta ihany koa moa amin’ity resaka ity ka ataoan’ny sasany fialana bala ny hoe efa vanim-potoan’ny fety izao ka aleo mifety sy mifaly aloha, fa amin’ny manaraka ho hita eo ihany ny atao ho an’ireo nampidirina am-ponja tsy nisy fitsarana akory ! Etsy an-kilan’izay dia misy ireo minia manakorontana mihitsy ilay hetsika fampihavanam-pirenena mba hampitarazoka hatrany ny fikaroham-bahaolana amin’ity krizy efa enin-taona ity. Moa tsy tena fahavalom-pirenena mihitsy izy ireny !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT