Edito

Reharehan’ny Malagasy !


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Tsy mitsanga-menatra ny ekipam-pirenena Malagasy any Egipta fa tena manoratra tantara.

 

 

 

 Ny Malagasy aty an-tanindrazana manohana sy miombo-po tanteraka, ary porofon’izany ny horakora-pifaliana nanerana ny tanàna, taorian’ny fandresena ny alakamisy 27 jona teo nandavoana an’i Burundi tamin’ny isa 1-0 sy ilay omaly nandavoana 2-0 an’i Nizeria, izay vaovao misongadina eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra manerantany amin’izao. Midika izao fa tsy kisendrasendra no niakarantsika any amin’ny dingana famaranan’ny CAN, fa tena nisy ezaka sy finiavana. Ny hany nanamaloka ny lalao omaly ho an’ny Malagasy dia ny fitarainana, fa maro ny toerana tapaka ny jiro omaly. Mangina ny vavan’ny Afrikanina fa hatao tohatra fiakarana i Madagasikara. Nasehon’ireo maherifontsika sy ny mpanazatra fa afaka manao zavatra tsara isika na eo aza ny tsindry samihafa, eny fa hatramin’ny kiana sy latsalatsa na fanaratsiana. Antsika foana ireo na mahomby na tsia, ary isika no mpilalao faha-12 manome herin-tsaina azy ireo, ka milaovaina ilay toe-tsain’ireo olom-bitsy… Tsy hanavahana na iza na iza ny fanohanana sy fiombonam-po fa tena ao an-damosin’ny ekipam-pirenena ny rehetra, eny hatramin’ny tsy dia mpankafy baolina kitra aza. Tsy tokony hisy ny resa-politika na loko politika na fanaovana fitaovana politika ny Barean’i Madagasikara mba tsy hanimba azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT