Nilaza isika teto ny sabotsy lasa teo fa dia tsy maintsy hisy indray izany ny fihaonana hafa eo anivon’ny SADC handinihana lalina ny raharaha Madagasikara ary mety hisy ihany koa ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filohan’ny ankolafy. Ny ankolafy efatra nahazatra hatramin’izay aloha no tena voatonona amin’io, saingy raha araka ny resaka nandeha efa elaela ihany izay dia tsy maintsy handray anjara amin’io fihaonana io ihany koa ireo vondrona politika hafa niforona tato anatin’ny roa taona. Izay ihany aloha hatramin’izao no lalan-tokana mitondra mankany amin’ny tena fitoniana sy hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena.
Tsy misy safidy hafa ankoatra an’io fa dia izay no izy. Ny avy amin’ny ankolafy telo moa dia manamafy fa tokony ho eto Madagasikara no hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, izany hoe mody eto Atoa isany Ravalomanana sy Ratsiraka. Tsy fantatra hoe tsy manaiky ny fihaonana ve, sa tsy manaiky ny hiverenan’izy mirahalahy ireo an-tanindrazana i Andry Rajoelina ? Raha atao any ivelan’i Madagasikara ve ny fihaonan’ny filohan’ny ankolafy dia hanatrika izany ny filohan’ny FAT ary hanaiky ny fifanarahana mety hatao sonia ao ? Tena tsy mety amin’izao fitondrana FAT izao mihitsy ve ny hiverenan’Atoa Marc Ravalomanana eto ? Nahoana ? Tahaka ny mihodinkodina be ny resaka hatramin’izay fa raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy dia io resaka fiverenan’i Dada an-tanindrazana io no tena tsy mety amin’ny FAT. Dia misy ireo mandroso hevitra hoe : aleo ary tsy hiverina eto aloha izy fa asiana fifanarahana mazava kosa hoe afaka milatsaka hofidiana filoham-pirenena Atoa Ravalomanana ary rehefa hanomboka mihitsy ny propagandy dia avela miditra eto amin’izay izy.
Ny tena nampihenjan-droa ny tady tamin’ilay sori-dalana teo mantsy dia ny fahatsapan’ny avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana fa dia ailika tsotra izao ny mpitarika azy ireo kanefa omena vahana sy tombony lehibe i Andry Nirina Rajoelina. Na samy milatsaka na samy tsy misy kandida, hoy ny mpanara-baovao iray raha miresaka azy mirahalahy mianaka nifanolana ka nahatonga ny krizy ireto izy, ary maro be no mitovy hevitra aminy amin’izay. Ny olana mantsy ankehitriny dia misy ny miketrika ny amin’ny hanilihana tanteraka an’i Marc Ravalomanana fa hanandratana kosa an’i Andry Rajoelina. Izany no anton’izao sangodim-panina isan-karazany rehetra izao. Tena ilaina eto Madagasikara ny fampihavanam-pirenena mba hampisinda ny ahiahy rehetra. Sarotra ny hanarina firenena sy hampandroso azy raha mifanolana sy mifanenjika lava ny mpanao politika. Raha tena ao anatin’ny vanim-potoan’ny fanovana marina isika dia tsy tokony ho olana ny fanatanterahana izany ary tokony hampiseho ohatra tsara ny mpitondra mahefa !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.